LOHOLON’I MADAGASIKARA : Hofidiana dia ho foanana

Mikasa hampanao  fitsapakevibahoaka, izay hanontaniana ny vahoaka ny amin’ny fanekena na tsia ny mbola hitazomana ny Antenimierandoholona, ny fitondrana ankehitriny.

Anisan’ny andrimpanjakana nokianin’ny Filoham-pirenena ary nanambarany, nandritra ny fampielezan-kevitra nataony manko, ny tsy ilàna intsony ity andrim-panjakana ity, satria mandany vola fotsiny, kanefa tsy manana akom-pampandrosoana eo amin’ny fiainam-bahoaka akory.

Ilaina, noho izany, ny fanafoanana azy io, ka atokana ho amin’ny fanatsarana ny fampianarana ambaratonga ambony ny vola tokony ho amin’izany.

Nolavin’ny Fitsarana Avo

Tsy neken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (na ny HCC) anefa ny fanafoanana izany andrimpanjakana izany. Ny azo atao dia ny mampihena ny isan’ireo Loholona. Araka izany dia ho 18 ihany no ho isan’ireo Senatera. Koa ho roa (2) isaky ny Faritany 6 no hofidiana ary ny 6 ambiny kosa dia hatolotry ny Filoham-pirenena.

Araka ny fandinihana ny zotra politika misy ankehitriny dia tian’ny fitondrana hailika avokoa ireo mpikambana HVM izay maro an’isa ao mba hanjakan’ny olon’ny fitondrana.

Tsy eo amin’ity andrimpanjakana ity ihany no ahitana izay fomba fanilihana izay fa efa nanaovana izany hatreny amin’ny fokontany ka nanoloana ireo sefo maro teto amin’ny firenena, ho olon’ny mpitondra.

Ankoatr’io dia ahitana izany koa ny eny anivon’ny sampandraharaha samihafa ka anovàna ireo Tale Jeneraly amin’ny orinasam-panjakana na miankina amin’ny ampahany amin’ny fanjakana.

Tsy hisy ny mpanohitra

Raha zohina dia tsy te-hanana olona ivelan’ny ekipany ny fitondrana ankehitriny. Tohanana ny fidiran’ny mpanohitra ao anatin’ny fitondrana sy ny fitantanana ny raharaha ambony eto amin’ny firenena. Te-hitondra baolina samy irery ny Filoha sy ny ekipany. Miharihary loatra ireny fanampiana an-kolaka nataon’ny Filoha ny kandidàny tamin’ny fampielezankevitry ny fifidianana ho ben’ny tanàna ireny. Toa tsy hisy ny fanampiana ny kaominina raha tsy olona mitovy loko aminy no lany.

Ary dia mbola arirarira ihany koa ny fametrahana ny antoko mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena eny.

Politika fitsitsiana

Raha hiverenana ny politikan’ny fitondrana ankehitriny momba ny fitsitsiana dia toa hafahafa ihany. Hofidiana sy hotendrena ireo Senetera kanefa hezahina ho alana amin’ny fitsapana ny hevi-bahoaka avy eo.

Mila hojerena ihany koa anefa ireo vesatry ny fanjakana tsy mahasoa ny vahoaka akory.

Vous aimerez aussi