Manoloana ny fivoaran’ny valan’aretina covid-19 tao amin’ny distrikan’i Mahajanga, faritra Boeny, izay zavatra nandalo farany teo, tany an-toerana, dia namoaka naoty manoloana izany, mba hisorohana izay tranga izay, ny lehiben’ny faritra Boeny, atoa Bazezy Vanombe Clavelah. Nambaran’ity naoty ity, fa izay olona miditra ao amin’ny biraon’ny faritra, na mpiasa na olon-tsotra, na olona manana anton-draharaha na hihaona manokana amin’ny tompon’andraikitry ny faritra, dia tsy maintsy manao arovava avokoa. Alohan’ny hidirana ny biraon’ny faritra dia manasa tanana amin’ny rano sy savony, manaja ny elanelana 1 metatra. Tsy mifandray tanana. Ny tsy fanarahana ny fepetra sy ny toromarika napetraky ny lehiben’ny faritra, dia mahatonga anao tsy ho tafiditry ny birao ary ireo tompon’andraikitra dia tsy afaka ny handray anao na dia efa manana fotoana manokana na “rendez – vous” aza ianao, hoy ity naoty ity. Manantena ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay manoloana ny ady iombonana amin’ny fahavalo tsy hita maso, dia ny coronavirus izany, hoy hatrany ity naoty ity, ka tokony hanaja izany fepetra izay ny olona tsirairay, hoy ny fanazavana voaray.



