Volamena 49, volafotsy 47 ary alimo 31. Miisa 127, araka izany ireo medaly norombahin’ireo atleta malagasy, nandritra iny lalaon’ny Nosy andiany faha-10, izay natao tatsy Maorisy iny.
Ambara ho nahomby ny ezaka vitan’ireo mpilalaontsika satria niisa 35 ny medaly volamena azon’ny malagasy nandritra ny lalaon’ny Nosy natao ny 2015 lasa iny, tatsy amin’ny Nosy La Réunion.
Nidera ny ezaka vitan’izy ireo sy ny federasiona isanisany, noho izany, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, amin’izao fampiakarana ny lazan’ny firenena malagasy izao.
Nijery ny fizotran’ny lalao samihafa teny ifotony ny Minisitra ka nampanantena ny hanatsara sy hanohana bebe kokoa hatrany ny fanatanjahantena sy ny tanora.
Mifoha ny fanatanjahantena malagasy, hoy izy, saingy tsy maintsy manatombo hatrany ny Nosy mampiantrano noho ny hamaroan’ny atletany mandray anjara.
Faharoa i Madagasikara
Marihina moa fa ry zareo maorisiana no nahazo medaly volamena (92) be indrindra, volafotsy 78, alimo 53. Madagasikara kosa no faharoa. Fahatelo kosa i La Réunion, izay nahazo medaly volamena 45, volafotsy 58 ary alimo 74. I Seychelles kosa no fahefatra, izay nahazo volamena 28, volafotsy 32, alimo, 51. Fahadimy i Maldives, izay hampiantrano ny lalao manaraka amin’ny 2023, izay nahazo medaly volamena 4, volafotsy 4 ary alimo 7. Fahenina kosa i Mayotte, izay nahazo volamena 3, volafotsy 2 ary alimo 10. Ary fahafito farany kosa i Comores, izay nahazo medaly volamena 1, volafotsy 3 ary alimo 11.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

