Tsy nisy ny hidiovana, tsy nisy ny handrahoan-tsakafo,… Menomenona no nanjaka tamin’ny tokantrano maro sy ny mponina rehetra eny Isotry, Ambodin’Isotry, 67 Ha,… iny nanomboka ny sabotsy 27 jolay lasa teo. Tsy nisy na dia rano indray mitete aza azo nampiasaina. Nandroso dia nandroso, noho izany ny varotra rano amin’ny tavoahangy plastika isankarazany, ho an’ny olona manana fahefana hividy izany ary tsy maintsy nitady rano teny amin’ny manodidina kosa ny tsy manam-bola.
Loha laharana ny sakafo ka tsy maintsy novidiana izany. Ny fidioavana kosa natao tany amin’ireo havana sy namana teny amin’ny manodidina, toa an’Ampefiloha, Ankazomanga,… iny.
Fantsona roa no vaky
Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra dia tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany maraina, no nisy ny fahavakisan’ny fantsona lehibe teny Ambodin’Isotry. Teo ampanandramana ny famerenana ny rano anefa no nisian’ny fahavakisan’ny fantsona lehibe iray hafa indray, tany an-toeran-kafa, ny sabotsy alina. Heverina ho ny fitaovana lehiben’ny orinasa mpanao làlana no nahavaky ity fantsona faharoa ity. Niantso ity orinasa ity, araka izany, ny Jirama mba hifanampy aminy amin’ny fanamboarana tokony hatao.
Teo ampiandrasana izany anefa no nanampy ny mponina rehetra manodidina ny Jirama ka nitaona rano tamin’ny kamiao, mba ho zaraina maimaimpoana ho an’ireo mponina eny amin’ny faritra misy ny fahavoazana dia Isotry, Ambodin’Isotry, 67 Ha, Tsaralalàna, Andohatapenaka ary Andavamamba.
Marihina moa fa nitohy ny alahady tontolo teo ny fahatapahan-drano tamin’ireo faritra ireo.
Ny faktiora kosa anefa dia hitohy hatrany na dia niala vola tamin’ny fitadiavan-drano tamin’ny fomba samihafa aza ny vahoaka.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

