LALANAN’NY FIFAMOIVOIZANA :Ireo fandikana mety hampiditra « fourrière » sy ny sazy hafa

Nahabe resaka tato ho ato ny sazy miandry ny mpamily fiarakodia tsy manaraka ny lalànan’ny fifamoivoizana , indrindra ny eto Antananarivo renivohitra.

Anisan’ny voatsikera indrindra amin’izany ny mikasika ny « fourrière », izay diso tafakatra ambony loatra ny lamandy aloa amin’izany.

Ny « fourrière »

Ny fandikana ny lalàm-pifamoivoizana faha-313 no mahatonga ny fampidirana « fourrière » ny fiara :

  • Ny fandehanana mafy loatra
  • Ny mitondra fiara raha mamo
  • Ny miantsona eo amin’ny tetezana
  • Ny tsi-fahatomombanana ara-teknika
  • Ny tsi-fahatomombanan’ny « mutation »
  • Ny manao fitaterana an-tsokosoko
  • Ny tsi-fahatomombanan’ny fahazoana miasa (licence)
  • Ny fiantsonana eny an-tendrom-piakarana
  • Ny fijanonana eo amin’ny fiolanana
  • Ny taratasin’ny fiara (modèle N°1) lany andro
  • Ny tsi-fananana taratasy mitondra taxi
  • Ny tsi-fananana fahazoan-dàlana mitondra fiara mihoatra ny 3 500 T
  • Ny tsi-fananana fahazoan-dàlana mifamoivoy amin’ny tanàn-dehibe
  • Ny fangalarana zotra

Raharaham-pitsarana

Mampiditra eny amin’ny Fitsarana kosa, aorian’ny fanadihadiana ataon’ny Brigade des Accidents de la Circulation (na BAC) ary hakana ny fahazoan-dàlana mamily (na permis) :

  • Ny mamo am-pamiliana na tsy misy loza aza
  • Ny mandositra fisavana
  • Ny mamo mitondra fiara nanao loza
  • Ny mitondra fiara tsy manana « permis »
  • Ny tsy manaja ny sakana amin’ny orana (barrage de pluie)

Ireo sazy mahazatra sy ny lamandy

  • Ny tsi-fanajana ny toro-mariky ny Polisy (1 000 ar)
  • Ny tsi-fanajana ny mari-panoroana (2 500 ar)
  • Ny tsi-fanajana ny takelaka tsy tokony hiviliana miankavia na miankavanana ( 2 500 ar)
  • Ny takelaky ny nomerao tsy ara-dalàna (1 000 ar)
  • Ny kodiarana sola (2 500 ar)
  • Ny jiro « phare » fotsy (1 000 ar)
  • Ny fanasana fiara eny amin’ny làlam-bahoaka (2 500 ar)
  • Ny mandeha amin’ny « sens interdit » (2 500 ar)
  • Ny fiara manetroka (1 000 ar)
  • Ny fivoaham-peo manelingelina (1 000 ar)
  • Ny tsi-fahatomombanan’ny « essuie- glace » eo amin’ny « pare-brise » (1 000 ar)
  • Ny tsy fanoratana ny taxibe (2 500 ar)
  • Ny fisian’ny mpandeha mihoatra mitsangana ( 2 500 ar)
  • Ny entana tsy voafatotra tsara (1 000 ar)
  • Ny « permis » tsy hay vakiana (1 000 ar)
  • Ny tsy fampisehoana ny « permis » (PV)
  • Ny familiana fiara tsy mifanaraka amin’ny sokajin’ny « permis » (PV)
  • Ny « certificat médical » tsy ara-dalàna (PV)
  • Ny tsy fisian’ny jiro amin’ny fiara (2 500 ar)
  • Ny varavarana tsy mihidy eny am-pandehanana (1 000 ar)
  • Ny manohitra ny fampijanonana (PV)
  • -Ny fiantsonana manoloana ny daba fanariam-pako (1 000 ar)
  • Ny fandikana ny takela-by (2  500 ar)
  • Ny mpandeha tsy voaaro amin’ny loza (1 000 ar)
  • Ny fihoarana eny amin’ny fiviliana sy an-tendrom-piakarana (2 500 ar)
  • Ny fandehanana mafy loatra amin’ny faritra efa voafetra (2 500 ar)
  • Ny mandika ny fampitandremana (500 ar)
  • Ny fijanonana manoloana ny garazy sy ny fandehanan’ny mpandeha an-tongotra (1 000 ar)
  • Ny fiantsonana eny amin’ny làlana voafaritra (1 000 ar)
  • Ny fiantsonana eny amin’ny « trottoir » (1 000 ar)
  • Ny tsy fisian’ny marika telozoro fampilazana amin’ny alina (2 500 ar)
  • Ny fitaratry ny « rétroviseur » tsy tomombana (1 000 ar)
  • Ny « feux de position » tsy tomombana (1 000 ar)
  • Ny kodiarana fanolo tsy tomombana (1 000 ar)

Vous aimerez aussi