KRIZY ETO MADAGASIKARA : Mihamafy ny fisondrotam-bidim-piainana

Efa ambony hatrany ny tahan’ny sondro-bidim-piainana nanomboka ny taona 2017 hatramin’ny faran’ny taona 2019. Mbola hita mihamafy hatrany izany amin’izao fisian’ny valan’aretina covid-19 eto Madagaskara izao. Tsy tana fa miroso tsikelikely sy miandalana mankany amin’ny fidanganam-bidim-piainana mafimafy kokoa ny eto amin’ny firenena. Efa tsy lazaina intsony ny fisoko-miadan’ny entana ilaina andavanandro tahaka ny vary, ny menaka, ny sirasy ny sisa izay mampikaikaika ny Malagasy. Amin’izao fotoana izao dia saika niaka-bidy izany ary samy manao ny saim-pantany ireo mpivarotra. Tsy hita mihitsy ary tsy fantatra mazava indray hoe aiza ho aiza ireo sampana mazava mijery manokana ny fisondrotan’ny entam-barotra. Tsy mitsaha-mitotongana ihany koa ny ariary ankehitriny. Araka ny fanazavan’ny Banky Foiben’i Madagasikara dia nohon’ny fihenan’ny vola vahiny miditra ny anton’izany, satria mbola tsy tena misokatra ny sisintany. Mila mividy na mampiditra vola vahiny ny firenena Malagasy mba hanetsemana ny lavaka sy fatiantoka. Mbola tsy nisy fitotonganana tahaka ny tamin’ity volana Jona ity, satria nahatratra 3,15% izany oharina amin’ny dolara ary 5,10% be izao izany fihenan-danja izany raha oharina ny Euros.Izany rehetra izany no hiteraka fahefa-mividy ambany ho an’ny Malagasy ary hampoizinany fitarazoan’ny fidanganam-bidim-piainana raha tsy misy fepetra matotraraisin’ny fitondram-panjakana.

Vous aimerez aussi