KITRA BAREA VEHIVAVY : Notolorana 1.000.000 ar avy

Vola mitentina 1.000.000 ar avy no natolotra ireo mpilalaon’ny Barea sokajy vehivavy latsaky ny 20 taona, io maraina io, tetsy amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Izany dia ho fankasitrahana azy ireo noho ny fandresena miezinezina, ka nibatan’izy ireo ny amboaran’ny « Union des Fédérations de Football de l’Océan Indien » (na ny UFFOI U20), izay natao tatsy amin’ny Nosy Maorisy.

Nazava ny fandresena

Nazava ny fandresena azon’ny ekipan’i Barea tamin’ity fifaninanana ity satria nandritra ny lalao efatra natao dia baolina miisa 37 no matiny. Fandresena telo no azo ary ady sahala iray.

Voahosotra ho mpilalao mendrika tamin’ity fifaninanana ity moa i Tombo Jacques Novelinah, izay nahatafiditra baolina 12, nandritra ny lalao rehetra natao.

Taorian’ny ekipan’ny Barea lehilahy dia izao mbola nitondra avo ny voninahi-pirenena izao indray ireo zandry vavy, latsaky ny 20 taona.

Heverina fa tsy hijanona eo amin’ny sehatry ny ranomasimbe indiana ihany izao ezaka izao fa hitatra eo anivon’ny kaontinanta afrikana ihany koa.

Vous aimerez aussi