Nolavin’ny Prefektioran’Antananarivo ny fangatahan’ny mpanohitra hanao fihetsiketsehana an-dàlambe ny sabotsy ho avy izao. Afak’omaly no nametrahana izany fangatahana izany teny anivon’ity fahefana mahefa ity, saingy tsy nahafapo ny mpangataka izany rehefa nodinihana niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny filaminana.
Fantatra moa fa ny fitakiana ny fahamarinana amin’ny fampitahana ny lisi-pifidianana tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka sy ny Ben’ny Tanàna farany teo no anisan’ny vontoatin’ny hetsika efa natao.
Takian’izy ireo ihany koa ny fanazavana momba ilay lalàna mikasika ny herisetra, izay nahabe resaka tato ho ato.
Fitakiana mitambatra
Tsy nijanona fotsiny tamin’ny resaka lisi-pifidianana moa ity hetsika nanomboka tetsy amin’ny Magro ity fa voatsikafona tamin’izany koa ireo olana maro samihafa mitranga eto amin’ny firenena, toy ny raharaha Ambohitrimanjaka, ny olana eo amin’ny jiro sy rano, ny korontana eny anivon’ny fampianarana ambony,….
Tsy tontosa anefa ny fahazoan-dàlana hitaky izany ka andrasana ny fotoana manaraka izay mety ahafahana manao azy. Asa raha afaka haneho hevitra malalaka tokoa ireo voatohintohina amin’ireo fitakiana samihafa ireo ? Ary rahoviana ?


