Ao anatin’ny fahasahiranana ny vahoaka noho ny valanaretina amin’izao fotoana izao, dia mandalo fahasahiranana ihany koa ny kaominina. Na izany aza dia mitady hevitra hatrany ny Ben’ny tanàna, atoa Elie Dominic Raharinoasy entina hampandrosoana ifotony ahafahana mitsinjo sy miahy ireo mponina ao amin’ny kaominina. Eo amin’ny fampandrosoana dia manana programan’asa maro ny kaominina. Na dia somary sahirana aza ny kaominina dia misy foana ny asa mandeha eo anivon’ny kaominina amin’izao. Manohy ny fametahana ny jiro manazava ny arabe isa-pokontany ny kaominina, izay amin’izao no ezaka hataon’izy ireo, satria hita fa maro ny tsy fandriampahalemana amin’izao fahasahiranana izao, ka miezaka hatrany ny kaominina manome jiro isaky ny elakelan-trano sy ny fokontany izay. Fokontany 2 izao no efa nametrahana izay jiro izay, hoy ny Ben’ny tanànan’i Talatamaty ary mbola hitohy izay fanomezana jiro izay. Teo koa ny fanampian’ny ministeran’ny angovo tamin’ny alalan’ny sekretera jeneralin’ny ministera tamin’ny fanampiana jiro ary namaly ny antso avy hatrany izy raha vao nangataka ny Ben’ny tanàna. Marihana fa zanaky ny kaominina Talatamaty ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny angovo.
Miady amin’ny covid-19 ny kaominina
Miezaka miady amin’ny valanaretina ihany koa ny kaominina dia eo ny famendrahana ny fanafody ao amin’ny kaominina sy ny tsena, izay be mpivezivezy, satria manana tsena lehibe ny kaominina Talatamaty ary miezaka manao izay famendrahana fanafody izay ny Ben’ny tanàna. Manaja tanteraka ny “gestes barrières” sy fanaovana arotava ny kaominina ary hentitra ny Ben’ny tanàna amin’io zavatra iray io, satria io no fiarovana voalohany antsika mpivezivezy, hoy izy. Marina fa hivoaka ny trano isika mitady sy hiasa, dia sady fiarovana ny tenanao sy fiarovana ny hafa ny fanaovana arovava orona ary fanajana ny tenanao sy ny hafa koa ary ny fianakavianao. Manentana hatrany ny Ben’ny tanàna, mba hanaja sy hanaraka antsakany sy andavany ny “gestes barrières”. Tsy ho vita irery io, na hiteny inona ny fitondram-panjakana, ka tsy hanaraka ireo fepetra isika dia very maina fotsiny ny ezaka natao ary ho tonga eny amintsika ny aretina, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna. Ady iarahana io ary ady mafy ary milà fandraisana andraikitry ny tsirairay. Tsy ho an’ny kaominina Talatamaty irery no miady amin’izany fa manerana an’i Madagasikara ny ady hatrehina.
Tsy hanao “service minimum”
Amin’ny maha kaominina ny kaominina, dia tsy maintsy misy foana ny fampandehanan-draharaha, satria maro ny zavatra mety hitranga eo anivon’ny kaominina. Raha hiditra ao anatin’ny fihibohana tanteraka ny fanjakana, dia miezaka ny kaominina hanome fahafaham-po ny mponina ao aminy. Tsy maintsy misy foana ny “service” mba hanomezana fahafaham-po ny olona manana anton-draharaha eo amin’ny kaominina, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna atoa Elie Dominic Raharinoasy.


