JIRO TAPAKA : Nodoran’ny vahoaka ny Jirama Maroantsetra

Tapaka tanteraka teo amin’ny faha-25 minitran’ny lalao baolina kitra nihaonan’ny Barea sy Niger ny jiro tao Maroantsetsa. 15 minitra taorian’izany dia nirohotra ny vahoaka, niazo ny biraon’ny Jirama. Nihorakoraka ny rehetra ny amin’ny hamerenana ny herinaratra. Tsy vitan’izany fa naronjon’ny mponina ny varavarana ka niditra tao izy ireo. Niharan’ny hatezeram-bahoaka tanteraka izany toerana ka nodoran’izy ireo. May, noho izany, ireo antotan-taratasy sy ny ampahan’ny efitra iray ary milina fanoratana vitsivitsy.

Tonga ny mpitandro filaminana

Noho ny fandraisan’ny mpitandro filaminana andraikitra avy hatrany dia tonga teo amin’ity birao ity izy ireo ka nanala ireo vahoaka nitangorona. Nanao tifi-danitra, araka izany, ireo zandary sy polisy ka niparitaka ny olona. Nandritra izany no nanararaotana ny famonoana ny afo, izay tsy nahamay tanteraka ity biraon’ny Jirama ity.

Araka ny fantatra dia iharan’ny fahatapahan-jiro matetika ny ao Maroantsetra ao. Ankoatra ny Jirama anefa dia misy ny orinasa hafa mamokatra herinaratra ihany koa ao an-toerana.

Vous aimerez aussi