6 noho 2 no isa nandavoan’ny Barean’i Madagasikara an’i Niger. Fandresena izay mampitombo 3 indray ny isan’ny ekipa malagasy, eo amin’ny lalao fifanitsanana ho amin’ny CAN 2021.
I Mohamed, mpilalaon’i Niger no nanokatra ny isa, teo amin’ny 4 mn nilalaovana. 3 mn taorian’izany anefa dia nosahalain’ny Barea ny isa ary dia nifanesy tanteraka izany avy eo.
Isa mavesatra
4 noho 1 no isa nisarahana teo amin’ny fizarana voalohany. Nampiditra baolina roa i Lalaina Nomenjanahary na Bolida, namono iray ihany koa i Carolus ary nahafaty iray tamin’ny penalty ny kapiteny Anicet.
Nandritra ny fidirana faharoa kosa no samy namonoan’i Voavy Paulin sy Jeremy Morel baolina iray avy. Ary niampy iray koa ny an’i Niger.
Loha-laharana
Nanome isa 6 ho an’i Madagasikara araka izany ireo fandresena roa azony nandritra izay lalao roa izay ary mitondra azy ho loha-laharana eo amin’ny vondrona K misy azy.
Ny lalao fahatelo sy fahefatra kosa dia hatao ny faran’ny volana aogositra sy ny voalohan’ny volana septambra 2020. Hiatrika ny Côte d’Ivoire any aminy isika ary handray azy etsy Mahamasina kosa indray avy eo.
Fety hatrany
Tahaka ny fandresena rehetra azon’ny Barea hatramin’izay dia nifamotoana teny an-dàlambe hatrany ny mponin’ny fokontany isanisany. Vuvuzela, sarom-bilany, kiriorioka, anjomara,… no nameno ny arabe manerana ny Nosy.
Somary niavaka ny tamin’ity satria maro dia maro ny olona nivoaka ny trano. Asa, mifanaraka amin’ny isa azo koa ve ny fivoahan’ny olona ?!

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.





