HOPITALY FJKM : Hanohana ny asa ny misionera koreana

Hanampy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ireo misonera avy any Korea amin’ny vinan’ny Fiangonana hanangana ny hopitaly FJKM sy ny sekoly momba ny fitsaboana.

Teo anivon’ny Fanjakana moa no niasan’ireto misionera ireto bebe kokoa teo aloha dia izao nitodi-doha tamin’ny Fiangonana izao indray ry zareo amin’ny fiaraha-miasa.

Hopitaly sy sekoly medikaly

Ankoatra ny fananganana hopitaly, hoy ny Dr. Lee-Jaehoon, izay miasa eto Madagasikara (ary mahay teny malagasy) dia ilaina indrindra koa ny fananana sekoly medikaly, indrindra ny fisian’ny Profesora hampianatra ao. Araka izany dia hanafatra Profesora avy any Korea izy, satria betsaka ihany koa ny Profesora kristiana any an-toerana, izay afaka hanampy.

Betsaka rahateo ireo mpitsabo tamin’ny  hopitaly mandehandeha amin’ny fiara any ambanivohitra any Korea ary afaka mampianatra ny dokotera eto mba hitsabo ny any ambanivohitra.

Koa hampianatra ny momba ny fandidiana sy ny fizahana tsotra eto Madagasikara ihany koa izy ireo.

Hanangona  ireo dokotera avy amin’ny oniversite roa any Korea koa ny Dr. Lee-Jaehoon, ka hifampizara traikefa amin’ny mpitsabo eto an-toerana.

Manana ny hopitaly tsara indrindra

Marihina moa fa ny Dr. Lee-Jaehoon dia avy amin’ny Presbyterian Church Korea, ary izy no manana ny hopitaly lehibe sy tsara indrindra any an-toerana. Noho izany, ho tsara koa ny hopitaly hatsangan’ny FJKM, hoy hatrany izy.

Nanteriny fa tsy hanampy fotsiny ny FJKM izy amin’izao asa izao fa ho tena mpiara-miasa mihitsy koa. Ary tsy eo anivon’ny hopitaly ihany fa eo amin’ny sehatry ny Fiangonana koa.

Ny iriny dia ny mba hitomboan’ny hopitaly, ahazoany manafatra ireo mpitsabo, ka hiara-hiasa ao anatin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy manompo ireo fokonolona manerana an’i Madagasikara.

Vous aimerez aussi