Nony nahazo toerana ve dia mamorona tsaho hamelezana ny namana mpanao gazety ? Mbola anisan’ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Holafitry ny Mpanao gazety, Gérard Rakotonirina izany, manoloana ny raharaha nisamborana ny namana Harifidy Ramanandraibe, mpanao gazetin’ny IBC, ny alahady maraina teo ary nisavana ny tranony noho ny mety hisian’ny fitaovam-piadiana ao, hono.
Tsy mbola levon’ny vavonin’ny mpanao gazety rehetra ny fihetsika nanjo ity namana ity, satria dia mpitandro filaminana miisa 12, mirongo basy no tonga tao an-tranony tamin’io maraimbe io.
Tsaho sy honohono
Vaovao tsy mitombina no namelezana ka nisavana ny tranon’ity mpanao gazety ity. Tokony hisy, hoy ny Filohan’ny Holafitra ny fandalinam-baovao fa tsy tsaho sy honohono kosa no entina hanenjehina olona sy hitondrana Fanjakana.
Nomarihiny hatrany fa « nigalabona sy nanao ny danin’ny kibony izy raha teny ivelan’ny Fitondrana, koa nahoana no manao ramatahora tahaka izao ? ».
Ho an’ny Filohan’ny Holafitra dia tsy izany no fanalalahana nodradradradraina sy notakiana am-polo taona maro.
Ny Fitondrana mandalo, ny mpanao gazety mitoetra
Manoloana ny toe-java-misy indrindra no nanentanan’ny Filohan’ny Holafitra ny amin’ny tokony hiraisan’ny mpanao gazety hina.
Mandalo sy miserana eo amin’ny Fitondrana ihany manko ny mpanao politika fa mitoetra eo amin’ny asany hatrany kosa ny mpanao gazety.
Ilaina ihany, noho izany, ny fandanjalanjana ny fihetsika atao na dia mety manana ny firehany aza ny mpampahalala vaovao, indrindra manan-toerana hatrany eo amin’ny Fitondrana tato ho ato ny mpanao gazety.


