« Ny 65.000 ar no takinay fa tsy ny ambinambiny ! ». Izany no mbola hamafisin’ireo mpampianatra sy mpandraharaha eny anivon’ny sekolim-panjakana maro, izay efa mihanaka manerana ny Nosy.
Tsy vitsy amin’izy ireo no mbola manatanteraka fitokononana noho ity raharaha « panier garni » ity. Anisan’izany ny etsy amin’ny lisea Ampefiloha sy ny lisea hafa eto an-drenivohitra, izay nohamafisin’ny lisea teknika ihany koa ary narahin’ireo any amin’ny faritra.
« Ny Filoham-pirenena mihitsy no ilainay hitondra fanazavana momba ity raharaha ity raha tsy izany tsy hiverina ny fampianarana, noho ireo tompon’andraikitra tsy mahava olana ! », hoy izy ireo, satria tsy rariny ny fanaovana ankilabao ny mpampianatra. Noho izany, omena herinandro ny Fanjakana mba hisainana momba izao fanapahan-kevitra izao.
Takiana koa ny tambin-karama
Herinandro vitsivitsy izay no nisian’ny fitokonana noho ity resaka 65.000 ar avy amin’ny Filoham-pirenena ity. Na dia teo aza ny fanazavana nentin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny teo anivon’ ny minisitera dia tsy afa-po ireo mpampianatra fa mbola mitaky hatramin’ny farany ny vola mitentina 65.000 ar hatrany.
Ankoatra io moa dia mbola takian’ny mpampianatra eny anivon’ny fampianarana teknika (Mahamasina, Alarobia, Ampasapito, Ampefiloha) ihany koa ny tambin-karama 50.000 ar izay tsy mbola nefain’ny Fanjakana. Ho an’ireto farany moa dia 48 ora no takian’izy ireo amin’ny tompon’andraikitra mba hanefana izany.
Mitohy ny hetsiky ny Seces
Mbola mitohy ihany koa ny fitokonana sy fanakatonana vavahy ho an’ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo, eny Ankatso.
Zara raha nisy ny famaliana ny fangatahana fito izay nataon’izy ireo, hoy ny solontenany. Noho izany, mitohy hatrany ny fitokonana ary hihamafy izany aorian’ny 15 janoary, mandrapisian’ny valiny azo tsapain-tanana avy amin’ny Fitondram-panjakana. Raha tsy izany, manosika ireo mpampianatra ho amin’ny taona fotsy na enim-bolana fotsy ny tompon’andraikitry ny fampianarana.
Andrasan’izy ireo ihany koa, noho izany, ny fihetsika tokony hataon’ny Filoham-pirenena, manoloana ny fitakian’izy ireo.
Sorona ny mpianatra
Zara raha mandingana ny sekoly ambaratonga fototra ny ankamaroan’ny zaza Malagasy. Ny efa tafakatra ambony indray anefa ireto no hiharan’ny olana samihafa.
Ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay ihany anefa no vaha olana. Na avy amin’ny Fanjakana izany na avy amin’ny mpampianatra satria tsy hisy mihitsy ny fampandrosoana raha ny hoavin’ny fahalalan’ny tanora no lalaovina lava eto.


