Manampy amin’ny asa fampiroboroboana ny fitoriana ny Filazantsara ny fifandraisana ary manabe amin’ny lafiny rehetra ka mampandroso ny maha olona eo anivon’ny fiaraha-monina.
Anisan’ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny FJKM, ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi izany, nandritra ny fotoam-panokafana tamim-pomba ofisialy ny « Herinandron’ny Fifandraisana », tetsy amin’ny Foiben’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (na ny FJKM), etsy Analakely, ny maraina teo.
Mihavao ny ezaka
Tsy mitsaha-mivoatra ny fifandraisana eo amin’ny FJKM, hoy izy. Mihavao ary mihatsara ny ezaka.
Notsiahiviny ny tantaran’ny gazety teto Madagasikara, izay nanomboka tamin’ny gazetim-piangonana kristiana « Teny Soa », tamin’ny fotoan’ny Misionera. Nijotso anefa izany tamin’ny fotoan’ny fanjanahantany satria notsindrian’ny hery samihafa .
Nony niverina anefa ny Fiangonana dia niroborobo ny gazety ka anisan’izany ny gazety « Fanasina » sy ny maro hafa.

Mbola hafa ny gazety an-tsoratra
Mbola velona koa ny gazety Marturia, hoy ihany ny Filohan’ny FJKM, nefa tokony ho velona tsaratsara kokoa, satria ny asan’ny Filazantsara an-tsoratra dia tsy mbola voasolo mihitsy na dia eo aza ny teknolojia samihafa.
Noho izany vakio ny gazetintsika, henoy ny radiontsika ary tohano ireo !
Marihina moa fa ny fahatsiarovana sy ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny Gazety Marturia Vavolombelona dia ho marihina manokana amin’ny 8 aprily ho avy izao.
Mila tohana ny AFIFAB
Ankoatra ny Filohan’ny FJKM, ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, izay nitarika ny fotoana tamin’ny alalan’ny fampirantiana sary samihafa moa dia niaraka taminy ireo Tale sy Tonia maro eo anivon’ny Foibe FJKM.
Teo ihany koa ny komitin’ny Asa Fifandraisana sy Fampahalalambaovao (AFIFAB), izay notarihin’ny Filohany Rafanonerantsoa Valisoa, Mpitandrina sy ireo mpikambana eo anivon’ny sakaizan’ny Radio Fahazavana ary ireo mpiasa rehetra ao amin’ny AFIFAB.
Nentanina, araka izany, ny rehetra mba hifanohana amin’ity fifandraisan’ny FJKM ity.


