Hanao asa ho tombotsoam-bahoaka mandritra ny tapak’andro manontolo ireo minia tsy manao sarontava, ka anisan’izany ny fambolen-kazo sy fikoloana zaridaina. Izany no anisan’ny fepetra henjana kokoa noho ny teo aloha noraisin’ny Fitondrana, araka ny fanambaran’ny Filoha Rajoelina.
Hitohy hatrany kosa ireo fepetra efa noraisina hatrizay, ahazoana miady amin’ny valanaretina coronavirus, indrindra ho an’ny Faritra Analamanga, Atsinanana ary Matsiatra Ambony.
Araka izany dia mbola mikatona avokoa ny zotra rehetra na an’habakabaka na an-dranomasina na an-tanety.
Ny mpamily taxi sy taxibe tsy manao arotava sy tsy manaraka ny fepetra dia miditra « fourrière » avy hatrany.
Mijanona miasa amin’ny 1 ora tolakandro.
Ireo mpianatra hanala fanadinana ihany no mbola mianatra, fa afaka 15 andro kosa vao ho fantatra ny kilasy sasany.
Ny Fiangonana sy Mosquée dia olona 50 ihany no afaka miara-mivavaka.
Ny Faritra Alaotra Mangoro kosa dia ireo miasa an-tanimbary dia afaka manao izany.
Ho an’ny Faritra hafa kosa dia miverina tsikelikely amin’ny fiainana andavanandro, ka afaka mandray olona mihoatra ny 50 ny toeram-pivavahana. Toy izany koa ny toeram-pisakafoana.
Ny lanonana rehetra, ny fivoriam-pianakaviana dia manaja ilay isa 50 hatrany.
Noraisina izao fepetra izao kanefa ny famehezan-tena no tena tokony ho raisin’ny tsirairay voalohany.


