HAINO AMAN-JERY : Hakatona ve ireo tsy manara-dalàna ?

Tsy maintsy manara-dalàna avokoa ny haino aman-jery rehetra eto Madagasikara ! Nanterin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina izany,  nandritra  ny fitsidihana nataony tany amin’ny Distrikan’i Nosy-Be, faritr’i Diana iny.
Notsiahiviny fa tapitra ny 10 jolay ihany koa ny fepotoana tokony hanateran’ireo haino aman-jery ny taratasy fanambarana mikasika ny orinasany eny anivon’ny ministera.
Izany no atao dia ahazoana manara-maso ny maha ara-dalàna na tsia ireny fahitalavitra sy radio samihafa manerana ny nosy ireny.
Fampanarahan-dalàna ny orinasan-tserasera miorina eto amin’ny firenena no tanjona, hoy ihany izy, ka tokony hanaraka ny fepetra ny rehetra.
Ho hentitra, araka izany, ny Ministera manoloana izay mety ho fizirizirian’ny tompona orinasa. Koa mety hisy ve, noho izany, ny fanakatonana ny sasany amin’izy ireny ?
N’inona n’inona mety ho antony dia tsy vitsy ny haino aman-jery nakatona teto, nandritra ny fitondran’ny Minisitra nifandimby.
Mety noho ny antony tsi-fanarahan-dalàna izany, nefa teo indrindra koa ny antony ara-politika.
Asa na mba fantatry ny tompon’andraikitra fa mampitombo ny tsy an’asa ny fanakotonana (na fandoroana) ireny orinasan-tseratsera ireny, ka mila fiheverena tsara.
Very zo koa ny mpihaino ireny radio ireny, satria tokony hanan-jo amin’ny fahalalana vaovao avy amin’ireny izy.
Marihina moa fa mahatratra hatrany amin’ny 45 any ho any ny radio eto an-drenivohitra fotsiny ary efa maherin’ny 300 ny manerana ny nosy.

Vous aimerez aussi