FITSINJARAM-PAHEFANA : Homanina ao anatin’ny roa volana

Hiroso amin’ny politika vaovao amin’ny alalan’ny fitsinjaram-pahefana tena izy ny Fitondrana ho fampandrosoana ny Faritra. Fanambarana nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christiana izany, teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo, nandritra ny fivoriana niarahany tamin’ireo minisitra sasantsany eo anivon’ny governemanta.
Ao anatin’ny roa (2) volana farafahatarany no hanomanana ity politika ity, hoy izy. Politika izay mijery lavitra, haingana nefa maharitra ary manome lanja ny Faritra.
Ny ahazoana mizara ny fahefana eny anivon’ny Faritra no tena tanjona. Noho izany, mila fomba fiasa vaovao izany ahazoan’ny Faritra manapa-kevitra haingana dia haingana, amin’ny fitondrana vaha-olana amin’ireny zava-misy maro ireny, indrindra izay tokony ho laharam-pahamehana.
Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fampitaovana ny Faritra ka betsaka no tokony hatao, hoy ihany ny Praiminisitra. Ary ny tena zava-dehibe dia ny fanohanana ara-bola ny Faritra, ahazoany mitrandraka ny harena ao aminy, izay tokony ho sitrahany.
Manoloana ireo dia hisy ny fikaonan-doha handinihana ireo fepetra tsy maintsy raisina momba ny lalàna handrafetana ireo fototra iaingana amin’ny fametrahana ity fitsinjaram-pahefana tena izy ity, indrindra ny fahefana omena ireo tompon’andraikitra isan-tokony.
Ny tanjona dia ny fizarana ny fahefana ahafahantsika manapa-kevitra haingana ary manantanteraka ny zavatra tena ilain’ny vahoaka ao anatin’ny fotoana fohy.

Vous aimerez aussi