Vehivavy tokony ho 40 taona eo ho eo no namoy ny ainy tao anaty fiara fitateram-bahoaka, tao Antsirabe, noho ny hafanana be loatra. Antsirabe izay Faritra tsy dia nahalala loatra ny hafanana hatramin’izay kanefa tafiditra anatin’izany koa amin’izao fotoana.
Araka ny maripana dia tafakatra 30° na mahery noho izany aza ny hafanana ao ankehitriny. Mandeha izaitsizy ny varotra rano amin’ireny tavoahangy plastika ireny, amin’izao fotoana, satria tapa-dava ihany koa ny ranon’ny Jirama. Ary tsy vitsy koa ny tokantrano voatery mividy « ventilateur » noho ny fisian’ny zaza ao an-trano.
Tsy ny zanak’olombelona ihany no sahirana amin’izao hafanana tafahoatra izao fa mahita faisana ihany koa ny voly samihafa, toy ny katsaka, izay anisan’ny fiveloman’ny mponina ao.
Mitsitsy rano
Araka ny fanentanana ataon’ny Jirama dia ilaina tokoa ny fitsitsiana ny rano amin’izao vanim-potoana izao satria maina loatra ny tany ka ritra ny loharano hamatsiana ny mponina.
Mila arindra, araka izany, ny fampiasan-drano : ny avy anasana lovia no anasana tànana, iny ihany koa no anasana tongotra avy eo, ary anondrahana voninkazo ny farany.
Tahaka ny any amin’ny firenena mandroso aza dia natao ho baiko ny tsy fanasana fiara rehefa amin’ny vanim-potoana tahaka izao.
Ny ara-pahasalamana
Mihetsika ara-panentanana avokoa ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana manerana ny Nosy ka mandrisika ny vahoaka hisotro rano bebe kokoa noho ny mahazatra.
Misy anefa ny toerana tsy mahavita izany noho ny tsy fisian-drano, toy ny ao Maevatanana, izay faritra mafana indrindra, satria mahatratra hatramin’ny 40°C ny hafanana ao. Hany ka misotro ny rano izay hitany eny ny olona ka tsy vitsy no voan’ny gripa sy tojo ny aretin-kibo. Misondrotra avo roa heny rahateo ny vidin’ny « jus » ao an-toerana ka lasa 800 Ar ny novidiana 400 teo aloha.
Manoloana izany dia manambara ihany ny tompon’andraikitry ny fahasalamana ny amin’ny tsy tokony hisotroana kafe be loatra. Ilaina indrindra koa ny mampiasa lay noho ny firongatry ny tazomoka any amin’ny faritra tena hanjakan’izany. Maro manko ny olona no tsy miditra an-trano intsony amin’ny alina fa matory eny an-davarangana sy eny an-tokontany eny.
Entanina indrindra ny rehetra ny amin’ny fitondrana elo sy satroka amin’izao main-tany loatra izao.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

