GLASGOW : Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fivorian'ny Firenena Mikambana faha-26 mikasika ny toetrandro na COP26

Nisokatra nanomboka androany 1 novambra 2021 hatramin’ny 12 novambra izao, any Glasgow, Écosse, ny COP26 na ny fivorian’ny Firenena Mikambana faha-26 mikasika ny toetrandro ary handray anjara amin’izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, sy ny delegasiona Malagasy izay tarihiny.

Mandray anjara amin’izao fivoriana lehibe izao avokoa ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana maro izay nanao sonia ny fifanarahana lasitra na ny “convention cadre” an’ny Firenena Mikambana mikasika ny fiovaovan’ny toetrandro.Vinavinaina ho 197 ny isan’ireo firenena handray anjara amin’izany COP26 izany ao amin’ny Scottish Event Campus ao Glasgow. Ity fivoriana faha-26 ity dia tarihin’ny fanjakana britanika, ary i Atoa. Alok Sharma no Filoha mpitarika ny fivoriana, izay efa sekreteram-panjakana britanika nisahana ny Fandraharahana, ny Angovo ary ny Paikady ara-indostrialy.

Ity COP26 ity dia heverina fa ho fihaonana an-tampony natokana hanehoana ny finiavana handroso sy ny fanatanterahana ireo drafitra amin’ny ankapobeny. Ary tanjon’ ny fivoriana ny fihatsaran’ny toetrandro maneran-tany, miainga avy amin’ireo ezaka ataon’ny firenena tsirairay, izay efa voarakitra tao anatin’ny “Accord de Paris” farany. Kendrena manokana araka izany ny hahitana vokatra amina sehatra dimy mazava: ny eo amin’ny fahaizana miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro, ny tetibola natokana ho an’ny toetrandro, ny singa voajanahary sy ny natiora, ny angovo ary ny fitaterana.

Nandray anjara tamin’ny fihaonana “action and solidarity – the critical decade” ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina nandritra izao COP26 izao. Fihaonana izay nahitana ny fandraisana anjaran’ny Filoham-pirenena sy filoham-panjakana miisa 30 ary notarihin’ny Praiminisitra Britanika Boris Johnson. Telo ihany ireo Firenena afrikana, niaraka tamin’i Madagasikara, nandray anjara tamin’ity fivoriana ity teo anilan’ireo firenen-dehibe toy an’i États-Unis, Canada, Allemagne, Inde. Fotoana iray nampahafantaran’ny Filoham-pirenena bebe kokoa an’i Madagasikara teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena satria ny dimy isan-jaton’ny harena voajanahary maneran-tany dia eto amintsika avokoa.

Ny famadihana ny hazo ho arina fandrehitra no antony lehibe indrindra maharingana ny ala eto Madagasikara. Mba hahazoana arina fandrehitra 10 kilao dia mila mandoro hazo 100 kilao ary mahalany arina fandrehitra 450 000 taonina isan taona i Madagasikara. Ala 1 ha araka izany no ringana mba hahafahan’ny fianakaviana iray mahafeno izany filàna izany.

Sosokevitra naroson’i Madagasikara ny firosoana amin’ny fampiasana ireo angovo madio toy ny bioéthanol hasolo ny arina fandrehitra.

100 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ilaina mba hahazoana manome fampitaovana ampiasana éthanol ho ana tokantrano Malagasy miisa 5 tapitrisa. “Afaka ny ho fitaratra amin’ny fampandrosoana maitso, ny fampandrosoana miaro ireo harena voajanahary, ary ny fahafahana miatrika irery ny fiovaovan’ny toetrandro eto Afrika i Madagasikara.” hoy ny Filoha.

Ilaina araka izany hoy hatrany izy ny famatsiam-bola ho an’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fanarahana ara-teknika isan-karazany ho fanohana ireo indostria maintso malagasy izay mikendry ny fikajiana ny tontolo iainana ary indrindra mba hahatrarantsika ny fanamby napetraka amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro.

Vous aimerez aussi