“GENERATION MPITOLONA” : Tsy diso anjara tamin’ny fanampiana ny mpiara-belona

Mba ho fitsinjovana ireo sahirana ara-pivelomana dia nanolotra tranolay ireo tsy manan-kialofana eny Analakely ny “Generation Mpitolona”, ny sabotsy 18 oktobra 2025. Anton’izao fanohanana izao ny anjara birikin’ireto “Generation Mpitolona” ireto manoloana ny fahorian’ireo niangaran’ny vintana ireo. Nialohan”izao fanampiana izao dia nitsidika ireo tradoza teny amin’ny hopitaly HUJRA Ampefiloha itamin’ny hetsi-bahoaka ireto “Generation Mpitolona” ireto. Nanolotra izay voatsirambin’ny tanana izy ireo tamin’izany. Nampahery azy ireo ihany koa. Santatra ambavarano ihany izao asa sosialy tanterahan’ny “Generation Mpitolona” ho an’ny mpiray tanindrazana izao fa mbola hitohy hatrany izany, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi