Nikarakara fotoam-pivavahana tetsy amin’ny Katedraly FJKM Analakely, io maraina io, ny mpanao gazety avy amin’ny « Vondron’ny Mpanao gazety mivavaka ho an’ny Firenena », izay tarihin’ny namana Poussie Ramanantsoavina. Natao ho fotoam-pivavahana nitondrana amim-bavaka manokana ireo mpiray tanindrazana niharam-boina noho ny fandalovan’ny andro ratsy teto amintsika ka namoizana ain’olona sy traboina maro ary fahasimbana samihafa teto amintsika izany fotoana notarihin’ny Mpitandrina Benjamina Rakotondramanana izany.
Tsy mpitatitra vaovao ihany
Tsy mpitatitra vaovao fotsiny ihany akory ny mpanao gazety, hoy i Poussie Ramanatsoavina fa mahalala tsara ny fiainam-pirenena. Koa noho ny voina misy eto an-tanindrazana dia misy ny finiavana hitondra amim-bavaka ny fiainam-pirenena.
Mahatsiaro manana andraikitra eto amin’ity firenena iombonana ity koa ny mpanao gazety fa tsy variana amin’ny fitaterana ny vaovao fotsiny ihany.
Voarara
Nisy ny fanangonana samihafa tokony ho natao ho fiombonam-po amin’ireo traboina, saingy voarara izany, ka ny fotoam-pivavahana fanombohana ihany no atao, hoy ny mpikarakara.
Noho izany, tsy nisy ny tolo-tànana azo natao , eny, na dia ny rakitra fanao amin’ny fotoana tahaka izao aza dia najanona.
Nangatsiaka ny fientanam-po
Natrehin’ireo birao avy amin’ny Holafitry ny mpanao gazety moa ny fotoana ary notronin’ireo mpanao gazety namana maro koa.
Lasa nangatsiaka ny fientanam-pon’ny rehetra, hoy ny Filoha, Gérard Rakotoniriana, noho ny fanafoanana indray ny « Voin-kava-mahatratra », izay noraran’ny Fitondrana.
Koa tsofina rano ny Fanjakana hahavita. Samy hafa ny fandraisan’ny olona ilay fanambarana, hoy izy.
Koa andrasana izay hataony ary enga anie ka ho vitany izany !



