Hanokatra ny trano fiangonana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ka hanao fiombonam-bavaka. Fanapahan-kevitra noraisina izany ka nambaran’ny Mpitandrina Filohan’ny FJKM, Irako Andriamahazosoa Ammi, tamin’ity maraina ity.
Hajaina ny fepetra rehetra
Mandritra izany fotoana izany anefa dia hentitra ny Filohan’ny FJKM nanambara fa tsy maintsy arahina ny fepetra rehetra efa nambaran’ny Fitondram-panjakana.
Anisan’izany indrindra ny fanajana ny fotoana, ka tokony hifarana mialoha ny amin’ny 1 ora tolakandro ny fotoam-pivavahana.
Tsy tokony hihoatra ny 50 ny isan’ny mpivavaka. Anjaran’ny isam-pitandremana no manao ny fandaminana rehetra satria afaka vohaina amin’ny andavanandro ny trano Fiangonana.
Hanaraka izany ny fepetra mahazatra dia ny fanajana ny elanelana iray metatra, ny fanasana tànana ary ny fanaovana arotava manarona ny orana sy ny vava.
Tsy azo atao ihany koa ny mifandray tànana sy ny mifanoroka ary ny mifamihana.
Heverina fa hanaraka izany amin’ny antsakany sy andavany ny mpianakavin’ny finoana, araka ny Kolosiana 4 : 5 hoe « Mandehana amin’ny fahendrena… » sy ny Jakoba 3 : 17 hoe : « Fa ny fahendrena avy any ambony dia madio aloha ary tia fihavanana, mandefitra ary mora alahatra ».


