FJKM : Hiombona amim-bavaka sy fifadian-kanina

Ho fiombonana amin’ny fijalian’ny Tompo, kanefa koa hiomanana sahady amin’ny Fandresena lehibe nentiny dia mitaona ny mpianakavin’ny finoana ny foiben’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) mba hanatanteraka fifadian-kanina, ao an-tokantranony avy, ny zomà ho avy izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 3 ora tolakandro.

Ankoatra ny Herinandro Masina dia mila vavaka indrindra koa ny firenena manoloana ny valanaretina coronavirus izao. Zava-dehibe, noho izany, ny fiaraha-miombom-bavaka amin’ny Fiangonana maneran-tany sy miara-miombom-pahoriana satria maro ny Fiangonana mikatona ankehitriny.

Entanina àry ny isan-tokantrano mba hifady hanina sy hiara-hiombom-bavaka ka hanao ny tari-dàlana fototra, ny fiderana sy ny fisaorana ny Tompo, ny vavaka, ny Soratra Masina, ny fampianarana, ny fifonana sy ny fiaiken-keloka.

Firaisana amin’i Jesoa Kristy izao fotoam-bavaka izao ary fitondrana am-bavaka indrindra koa ny  Fiangonana sy ny firenena izay lalovan’ny ady amin’ny valanaretina.

Fiombonana ho amin’ny Fandresena amin’ny Paska sahady koa, ka hananana fanantenana, satria Jesoa Kristy irery ihany no Ilay fanantenana sy famonjena ho antsika.

Vous aimerez aussi