Tokony ho efa voafidy avokoa ny Lehibem-pokontany sy ny Lefiny, manerana ny Nosy, ny volana mey ho avy izao, farafahatarany.
Raha araka ny lalàna manko dia fidiana fa tsy tendrena ireny olona akaikin’ny vahoaka ireny raha tiana tokoa ny tena hisian’ny fampandrosoana sy ny fanarahan-dalàna.
Manana andraikitra lehibe
Mananana andraikitra goavana ary antoky ny hahavitan’ny asam-panjakana ny Lehibem-pokontany. Izy ireny no mitondra fanazavana ny lalàna sy ny didim-panjakana, izay hifehezana ny fiaraha-monina.
Mampalahelo anefa fa ny Lehiben’ny Fokontany sy ny Lefiny dia tsy manana fitaovana firy ho henti-manana amin’ny asany. Eny, hatramin’ny birao aza dia tsy manana izany ny sasany.
Ary tsy misy firy koa ny Fokontany afaka hilaza fa voaloa ara-dalàna ny tambin’ny asa isam-bolana ataon’izy ireny.
Fidian’ny Fokonolona
Ny Lehibem-pokontany sy ny Lefiny dia fidian’ny Fokonolona, ka ny Lehiben’ny Distrika na ny Prefe, izay solontenam-panjakana no manao taratasy fampiantsoana ny fivoriambem-pokonolona, izay hanaovana ny fifidianana roa samihafa.
Ny voalohany dia ny fifidianana ataon’ny fokonolona ao amin’ilay Fokontany ka hifidianany ny Lehiben’ny Fokontany. Ny fifidianana faharoa koa dia hataon’ny Fokonolona hifidianana ny Lefitry ny Lehibem-pokontany.
Ireo anarana roa izay mivoaka tamin’ny fifidanana nataon’ny Fokonolona no halefa any amin’ny Lehiben’ny Distrika, izay solontenam-panjakana, ka handraisany didim-pitondrana, hanendreny ireo Lehibem-pokontany sy ny Lefiny ireo.
Tsy misy fe-potoana
Tsy misy fe-potoam-piasana ny Lehibem-pokontany sy ny Lefiny fa kosa 3 volana aorian’ny fandraisan’ny Lehibem-pokontany vaovao ny asany, farafahatrany, no tsy maintsy atao izay fanavaozana amin’ny alalan’ny fifidianana ny Lehiben’ny Fokontany sy ny Lefiny izay.
Tokony ho tanterahina manerana an’i Madagasikara izao rafitra izao mba hampisy ny fandraisan’anjaran’ny eny ifotony, izay mifanerasera mivantana amin’ny vahoaka.
Tsy mbola voakasik’izao fepetra izao kosa anefa ireo kaominina hamerenana ny fifidianana amin’ny ampahany.
Ny Fokonolona no fototra
Dradradradraina ny fanomezan-jo ny vahoaka eny ifotony. Raha tsy ny olona voafidiny, amin’ny alalan’ny Lehibem-pokontany anefa no mandray ny andraikiny dia zary resabe ihany ny fampandrosoana tian-katao. Eny anivon’ny Fokontany no tena hahalalana ny olana mianjady amin’ny vahoaka, ka hamahana izany, ho tombontsoam-pirenena.


