FITSENANA NY BAREA : Nakotroka tena nakotroka

Nakotroka tanteraka. Izany no azo ilazana ny fitsenana ny Barea, ekipam-pirenena malagasy. Tsy teo amin’ny sehatry ny kitra malagasy ihany fa eo amin’ny tantaram-pirenena iray manontolo.

Tsy mbola nisy fitsenana tahaka an’iny teto Madagasikara hatrizay hatrizay, satria tsy voafaritra ny isan’ireo vahoaka teny an-dàlambe nanemitra ny araben’Antananarivo ; nanomboka teny Ivato ka hatrany Mahamasina, rehefa nandalo ny làlam-baovao eny Tsarasaotra, nihazo an’Alarobia, Akorondrano, Antanimena, Analakely sy Ambohidahy.
Nafana tanteraka ny toerana nizoran’ity ekipa malagasy ity, ka noraisina toy ny maherifon’ny firenena ireo mpilalaontsika. Eny, na dia raraka teo amin’ny ampahefa-dàlan’ny lalaon’ny CAN aza.
Mainka, hoy ny maro raha nitondra ny amboara nody izy ireo ? Asa fotsiny !

Nandritra ny 9 ora

Ny maraina dia efa tomefy olona ny seranam-piaramanidina teny Ivato. Tsy voafaritry ny maha-tanora na maha-lehibe sy kely izany, indrindra ny saranga samihafa fa dia samy nirohotra ny rehetra niakanjo fotsy, mena, maintso, niaraka tamin’ny kiririoka, vuvuzela,… sy ny sainam-pirenena ary sary famantarana ny ekipan’i Barea.
Tapaka tanteraka avy eo ny làlana mihazo an’Ivato satria diso be loatra ny olona te-hanatona teny an-toerana. Nanahirana araka izany ny fandrindrana ny fifamoivoizana ka naharitra ora 9 vao tonga teny Mahamasina ireto maherifo malagasy ireto raha nigadona teny an-tseranana tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro tany ho any.
Niharetan’ny maro, araka izany, ny hain’andro, ny hafanana, ny hatsiaka, ny aizina,… satria maro tamin’ireo mpitsena no tsy mbola nahita maso ireto mpilalaony ireto.

Mipetraka ho tantara

Mijanona ho tantaram-pirenena, noho izany, iny andro sabotsy 13 Jolay iny, satria nampivondrona ny Malagasy ny fitsenana ny Barea. Nisy ny fitsenana ireo mpanao politika, toa an-dRatsiraka sy Ravalomanana teny Ivato, saingy tsy naharaka ity indray mitoraka ity velively izany.
Nampiray ny Malagasy tokoa, noho izany, ny Barea. Nirian’ny maro ny mba handalovany any amin’ireo renivohi-paritra samihafa, saingy noho ny fotoana dia tsy afaka hanatanteraka izany ity ekipa malagasy ity.
Niombom-po tanteraka tamin’izao ihany koa ny Malagasy any am-pita rehetra any, ka lasa fanta-daza manerana izao tontolo izao i Madagasikara sy ny baolina kitrany.

Vous aimerez aussi