Nihintsana teo amin’ny am-pahefa-dàlana ny Barean’i Madagasikara rehefa resin’ny Tonizia tamin’ny isa 3 noho ny 0. Vita hatreo izany ny dian’ny Malagasy amin’ity lalao lehibe hiadiana ny tompon-dakan’i Afrika ity.
Na resy aza anefa ny ekipa malagasy dia hisoratra eo amin’ny tantaran’ny baolina kitra aty Afrika sy manerana izao tontolo izao kosa ny dingana vitany.
Sambany niaka-tsehatra ambony amin’ny lalao lehibe tahaka itony manko i Madagasikara kanefa voarakitra ho laharana faha-5 aty Afrika izy raha tsy hita tabilao mihitsy hatrizay.
Tsy natao hampitanondrika, araka izany, iny faharesena iny, fa mainka aza ho fanoitra ho amin’ny tsaratsara kokoa aoriana.
Fanoitra
Hita tsy tsapa rahateo ny fanohanana nataon’ny vahoaka malagasy iray manontolo. Tsy ny Malagasy monina eto an-tanindrazana ihany fa ny Malagasy rehetra maneran-tany mihitsy. Azo porofoina tamin’ireny lalao natrehin’ny Barea ireny fa afaka mifankatia ny Malagasy ka afaka miray hina amin’ny ezaka fampandrosoana tokony hatao.
Ambasadaoro ny olona na ekipa malaza iray ka mananjo sy afaka manentana ny mpanohana azy amin’ny sehatra fampondrosoana rehetra. Mbola mila ezaka isika amin’ny ady amin’ny kolikoly, amin’ny fahalotoana, ny tsi-fifanajana, ny fahantrana, ….ka azo atao ho fanoitra tsara amin’izany ireto maherifon’ny Malagasy ireto. Mba tsy ho japian’ny mpanao politika indray anefa izany, satria ny mpanao politika ihany no mampizarazara ny vahoaka eto.
Fandaharam-potoana
Raha hiverenana ny CAN 2019 dia hanao ny lalao manasa-dàlana voalohany i Alzeria sy Sénégal, ny alahady 14 Jolay ho avy izao, amin’ny 7 ora hariva. Ny androtr’io ihany no hifanandrinan’i Tonizia amin’ny Nizeria, saingy amin’ny 10 ora alina kosa.
Ankoatra izany, tsy ho ela intsony ny Lalaon’ny Nosy, hatao atsy Maorisy, izay handraisan’ny Malagasy anjara ihany koa, ka ilana ny fanohanana ireo atleta malagasy.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

