Kandidà Ben’ny Tanàna miisa 150 mahery no niakatra Fitsarana io maraina io, tetsy Anosy. Ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka, ny fampiasana fahefam-panjakana ary ny fanakorontana nandritra ny fotoam-pifidianana, ny 27 novambra lasa teo. Ireo no vontoatin’ny fiampangana azy ireo.
Hipoka tanteraka, araka izany, ity Lapan’ny Fitsarana ity, satria samy nampiantsoana avokoa ireo kandidà nisy nitory, ka tonga niaro tena izy ireo, notronin’ireo fikambanana sy antoko mpomba azy avy.
Saika nahitana fitoriana avokoa ny ankamaroan’ireo kaomina eto amin’ny faritanin’Antananarivo. Ary voakasik’izany ny kandidà avy amin’ny antoko samihafa sy ny fikambanana tsy miankina ihany koa.
Penjy Randrianarisoa
Anisan’izany ny kandidà Ben’ny Tanàna Penjy Randrianarisoa, izay kandidà avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) ary Ben’ny Tanàna amperinasa ao Ivato.
Nambarany fa ny nataon’ny kandidà avy amin’ny IRK, izay mpifanandrina aminy ihany no nafotony. Anisan’izany ny fanerena an-kolaka ireo mpivarotra, ka tsy mahazo toerana raha tsy mifidy azy. Ny fizarana vola, ny fanaovana fampielezan-kevitra any an-trano Fiangonana, ny fanerena ny mpampianatra sy ny talen-tsekoly,…
Koa nanambara ity kandidà ity fa ny nataon’ny kandidàn’ny IRK io ihany no navadiny amin’ity Ben’ny Tanàna amperinasa ity.
Nanteriny anefa fa eo amin’ny 4.000 eo ny elanelam-bato misy amin’izy roa tonta ireto. Koa apetrany amin’ny fahendren’ny Fitsarana ny raharaha.
Nentaniny ihany koa ny vahoakan’Ivato mba hiaina hatrany ao anaty fitoniana tanteraka, satria ny marina tsy mba maty.
Marihina moa fa mbola nitohy ny tolakandro ny fotoam-pitsarana ary ny tapak’ity volana janoary ity no hivoaka ny valim-pifidianana ofisialy.


