FITORIANA NY FILOHA : Tsy hahazo rariny ny senatera

Tsy hahazo rariny eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana velively ny Antenimierandoholona raha ny lalàna no zohina.

Ny fanarahana ny andininy faha-104 ao amin’ny Lalampanorenana manko no nahazoan’ny Filoham-pirenena namoaka ny didy hitsivolana raha mbola tsy nijoro ny Antenimiera. Tsy voafaritra ao anatin’io andininy io kosa anefa ny tsy maintsy handefasana ny lalàna hankatoavina eny anivon’ny Antenimiera.

Ankilan’izany anefa, efa nankatoavin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana amin’ny maha-ara-dalàna azy ireo lalàna 14 nivoaka. Noho izany, tsy hitombina intsony raha io Fitsarana io indray no hamoaka didy fitsipahana ny lalàna efa nankatoaviny teo aloha.

Fitoriana

Marihina moa fa nametraka fitoriana teny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ny iraky ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny talata 14 janoary 2020 teo. Fitoriana izay milaza fa misy ny tsy fahatomombanana tamin’ny fanatanterahana ilay fanapahan-kevitra laharana 005-HCC/D3 tamin’ny 13 febroary 2019, izay noraisin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, mikasika ireo didy hitsivolana izay nosoniavin’ny Filoham-pirenena nandritra ny fotoana nanomezana azy fahefana hanao Lalàna, tamin’ny taona 2019, tamin’ny fotoana tsy nampisy ny Antenimierampirenena.

Voalaza anefa fa tokony hampandalovina sy hankatoavina eo anivon’ny Antenimiera roa tonta izany didy hitsivolana izany mandritra ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan’ireo Parlemanta farany teo saingy tsy tanteraka izany. Koa manameloka izany fandikan-dalàna izany  ny Antenimierandoholona ary izao nanao fitoriana izao.

Dia andrasana, araka izany, izay mety ho lalao ao anatin’izany karazan-dalàna izany.

Vous aimerez aussi