FITATERAN’OLONA AN-TSOKOSOKO : Tompon’andraikitra iray naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Antsirabe ny tompon’andraikitry ny fitaterana an-tanety na ATT ao amin’ny faritr’i Vakinankaratra, ny zoma 15 may teo noho ny fanararaotam-pahefana sy fampiasana ary fanamboarana taratasy hosoka. Araka ny vaovao voaray, dia fantatra fa nampiasain’ity tompon’andraikitry ny fitanterana an-tanety ity nitondrana olona an-tsokosoko ireo fiarany no izao tra-tehaky ny polisy izao. Rehefa nosavaina anefa ny taratasin’ireo fiara ireo, dia hita fa hosoka avokoa. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny polisy dia natolotra ny fitsarana izy ary notazonina am-ponja vonjy maika niaraka tamina olona iray. Mbola entina hiakatra eto an-drenivohitra ity talem-paritry ny fitaterana ity hanaovana famotorana ao amin’ny “Pôle Anti-Corruption” na ny PAC.

Vous aimerez aussi