Voatsangana omaly 17 jolay ny filoha lefitra enina (6) hiasa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, ka avy amin’ny antokon’ny fitondrana avokoa izy ireo.
Rasolonjatovo Honoré (Faratsiho) no filoha lefitra ho an’ny Faritanin’Antananarivo, Angelica Michelle (Fenoarivo Atsinanana) ho an’ny Faritanin’i Toamasina, Jocelyne Rahelihanta (Antsiranana I) ho an’Antsiranana, Rahantanirina Lalao (Mahajanga I) ho an’i Mahajanga, Rabenirina Jean Jacques (Betioky Atsimo) ho an’i Toliary ary Razafitsiandraofa Jean Brunel (Ikongo) ho an’i Fianarantsoa.
Tsy araka ny lalàna
Hita izany hatreto fa manjaka tanteraka eo anivon’ity andrim-panjakana ity ny IRD, antokon’ny mpitondra ankehitriny. Araka ny lalàna izay nambaran’ny Me Hanitra Razafimanantsoa anefa dia milaza ny fitsipika eo anivon’ny Antenimieram-pirenena fa ny birao maharitra dia tokony hahitana ny hery politika rehetra mba hampanjakana ny demokrasia sy ny hasin’ny andrim-panjakana. Koa asa raha hiziriziry amin’izao heviny izao ity andry mpanao lalàna ity na hanaraka ny lalàna sy ny fitsipika tokony hiainany.
Kestiora sy mpampaka-teny
Nandritra io fotoana io ihany koa no nifidianana ireo kestiora telo (3) sy mpampaka-teny hiasa eo anivon’ity andrim-panjakana ity.
Koa Jean Michel Henri no kestiora voalohany, izay hisahana ny mikasika ny fitantanam-bola. Rakotomanga Lanto (IRD) kosa no faharoa, hisahana ny famolavolana ny lalàna, ary Rabenirina Solondraibe Mamy (TIM) no kestiora fahatelo, izay hiandraikitra ny fanaraha-maso ny fitantanana eny anivon’ny Antenimierampirenena.
Voafidy ihany koa ny mpampaka-teny ka i Angèle Solange (Tsy miankina), izay voafidy tao Amboasary Atsimo no hisahana izany. Rafenomanantsoa Anyah (IRD) voafidy teto an’Antananarivo Boriboritany fahatelo kosa no lefiny.
Araka ny resaka mandeha dia mety ho ny zomà izao no hanatanterahana ny fifidianana eo anivon’ireo vaomiera samihafa.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

