FILOHA ANDRY RAJOELINA : Ho hamafisina ny fepetra amin’izao hamehana ara-pahasalamana andiany fahadimy izao

Faritra telo, dia Analamanga, Atsinanana ary Matsiatra ambony no voakasika ny fepetra rehetra napetraka mikasika ny hamehana ara-pahasalamana, hatramin’ny nisian’ny valan’aretina coronavirus teto amintsika. Niampy an’Alaotra Mangoro anefa izay fepetra sy hamehana ara-pahasalamana izay, hoy ny filoha Andry Rajoelina, raha nitafa tamin’ny vahoaka Malagasy, ny alahady alina lasa teo izy. Anisan’ny faritra voasokajy hiparitahan’ny valan’aretina covid 19 mantsy ireo faritra efatra ireo, hoy ny fanazavany ary ny faritra Atsinanana no ahitana taha be indrindra amin’ny fiparitahan’ity aretina ity, hoy hatrany ny filohampirenena. Noho izany, nanambara ny filoha fa ho henjana ary ho hamafisina ireo fepetra rehetra napetraka hatramin’ny nisian’ny hamehana ara-pahasalamana efatra voalohany. Hihamafy izany amin’izao hamehana ara-pahasalamana andiany fahadimy izao, hoy hatrany ny filoha Andry Rajoelina, izay nihatra nanomboka ny sabotsy lasa teo, taorian’ny filan-kevitry ny ministra. Tsy mbola resintsika aloha hatreto ny ady atao amin’ity aretina coronavirus ity, hoy ny filohampirenena, fa nohon’ny fisian’ny goragora na/sy gaboraraka no nampihanaka ity valan’aretina ity ary nitombo hatrany ny tarehimarika voaray, hoy izy. Ny sabotsy izay nahitana tranga  45 ary ny alahady izay nahitana tranga hafa 21 ary tsy nisy ny sitrana. Izany no nahatonga ny filohampirenena nilaza, fa ho hentitra amin’izao hamehana andiany manaraka izao ny tenany ary ho mafy ny sazy ho an’ireo izay tsy manaraka ireo fepetra napetraky ny fitondram-panjakana ireo. Ny fifehezan-tenan’ny tsirairay no ahafahana misoroka ity valan’aretina covid 19 ity, hoy hatrany ny tatitra nataony.

Vous aimerez aussi