Lasa loha-laharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany. Antony maro no mahatonga izany toy ny tsy fanajana ireo toromarika omen’ny Fitondram-panjakana ahafahana miaro ny aretina tsy hiparitaka. Anisan’ireny ohatra ny tsy fivoahana ny trano raha tsy tena misy antony goavana, ny fampiasana arovava, ny fanajana ny elanelana 1 metatra, ny fanasan-tanana amin’ny savony matetika. Ankoatra ireo sahirana ara-pivelomana anefa dia betsaka ihany koa ireo minia mikipy ka tsy vonon-kanaja ny fepetra napetraka mihitsy. Mba ahafahana mandrindra izany àry dia nidina any an-toerana ireo mpitarika ny “Etat-Major Mixte Opérationnel National” na Emmo/Nat izay ahitana ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny tale jeneralin’ny pôlisim-pirenena, ary ny Jeneraly solontenan’ny Filohan’ny Etamazaoron’ny Tafika malagasy (CEMA), ny alatsinainy lasa teo. Handrindra ny ady hatao amin’ny Covid 19 no anton-dian’izy ireo any an-toerana izay miisa 150 ka anisan’ireny ny fanaraha-maso ny fiainan’ny mponina any an-toerana. Nanamafy araka izany ny Jeneraly kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, fa ho hentitra manomboka izao ny fepetra horaisina amin’ny fivezivezena sy fifampikasohan’ny mponina, indrindra amin’ireo toerana mahavory olona sy any amin’ny lalam-pirenena. Hojerena ihany koa ny lalana rehetra mety hivoahan’ny olona mandritra izany toy ireo miondrana amin’ny lakana sy mandeha dia an-tongotra any anaty ala.


