Maro dia maro ny olana mitranga mandritra ity fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsaina ity. Tsy ny eny amin’ny tanàn-dehibe ihany fa eny anivon’ny faritra lavitra ihany koa.
Tsy ao amin’ny biletà ny kandidà
Tsy hita tao amin’ny biletà tokana ny kandidà iray tokony ho fidiana, tao amin’ny kaominin’Antenimby, distrikan’i Arivonimamo.
Adinon’ny tompon’andraikitra tanteraka ny nametraka ny momba an-dranamana ity.
Najanona tanteraka aloha, araka izany, ny fifidianana fa mbola nantsoina ny tompon’andraikitry ny tranoprintim-pirenena mba hampiditra ilay kandidà ao. Vao vita ny fanontana izany vao nentina haingana tany Arivonimamo ny biletà tokana.
Nilamina kosa ny fifidianana teo amin’ireo kaominina 22 hafa.
Nifamadika ny biletà
Biletà tokana tokony ho an’Ambohitrimanjaka no tonga tany Ambohidratrimo. Efa nandeha ny fifidianana vao tsikaritra ny momba izany. Efa nisy biletà miisa efatra (4) tafiditra tao anaty vata mangarahara, kanefa toa notsinotsiavin’ny tompon’andraikitra sasany tao izany.
Maro no tsy anaty lisitra
Anisan’ny olana nitranga tamin’ny biraom-pifidianana maro manerana ny nosy ny fisian’ny taraina mikasika ny tsy fahitan’ny mpifidy ny anarany ao anaty lisitra. Ny mahagaga azy ireo dia efa tao anaty lisitra hatrany izy ary nandray anjara tamin’ny fifidianana rehetra nifandimby. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia tsy ao ny anarany.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

