FIFIDIANANA BEN’NY TANÀNA : 10.000.000 Ar ny anto-bola ho an’Antananarivo

Nampitomboana avo roa heny avy ireo anto-bola harotsaky ny kandidà ho Ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina kaominaly, amin’ny fifidianana hatao ny 27 Novambra ho avy izao. Izany dia araka ny didim-panjakana izay navoakan’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ho fanotana ny bileta tokana sy fikarakarana ny fifidianana.

Araka izany dia tafakatra ho 10.000.000 Ar ny an’ny eto Antananarivo renivohitra. Ho an’ny kaominina an-drenivohitra sokajy voalohany dia 5.000.000 Ar. Ho an’ny kaominina an-drenivohitra sokajy faharoa, manana mpanolotsaina 19 : 2.000.000 Ar. Manana mpanolotsaina 15 : 1.100.000 Ar. Manana mpanolotsaina 13 : 1.000.000 Ar. Manana mpanolotsaina 11 : 900.000 Ar ary manana mpanolotsaina 9 : 800.000 Ar.
Ho an’ny kaominina ambanivohitra kosa dia mizara roa, araka ny mpanolotsaina ihany koa ny anto-bola haloa. Ho an’ny kaominina manana mpanolotsaina 7 dia 700.000 Ar ary 600.000 Ar kosa ho an’ny mpanolotsaina 5.
Raha ampitahaina tamin’ny vinavina navoakan’ny Ceni dia hita fa nitombo avo roa heny ny anto-bola harotsaky ny kandidà amin’ity fifidianana ity.
Marihina moa fa hotanterahina ny 27 novambra ho avy izao ny fifidianana Ben’ny Tanana sy ny Mpanolotsaina kaominaly.
Hanomboka ny 29 Aogositra izao kosa ny fametrahana ny antotan-taratasy, izay hifarana ny 12 Septambra. Ary ny fampielezan-kevitra kosa dia hanomboka ny 05 Novambra, ka hifarana ny 25 Novambra izao.

Vous aimerez aussi