FANDRIAMPAHALEMANA : Haverina ny hasin’ny Polisim-pirenena

Mila haverina amin’ny toerany ny hasin’ny Polisim-pirenena, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, nandritra ny tatitra nataon’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, teny Ivato. Tsy mandeha ho azy anefa izany, hoy izy, fa mila fahamendrehana sy fanarahan-dalàna avy amin’ny Polisy rehetra manerana ny Nosy. Koa mifototra amin’izany ny fiverenan’ny fitokisam-bahoaka sy ny fandriampahalemana eto Madagasikara.

Hatsaraina ny paik’ady

Hatsaraina ny paika entina manatanteraka ny filaminam-bahoaka, hoy kosa ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, nandritra izao fihaonana ataon’ireo tompon’andraikitra ambony misahana ny filaminana manerana ny Nosy izay naharitra roa andro izao.
Nandritra ity fihaonana ity no nanolorana ny jeritodika nandritra ny enim-bolana voalohany, teo anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka. Voarakitra amin’izany ny sehatry ny filaminana, ny fitoniana ara-piaraha-monina, ny fampanajana ny fitsipika mifehy ny Polisim-pirenena ary ny fitantanana miaro fandraisana andraikitra.
Misy ihany koa anefa ny ezaka ilana fanarenana, hoy ny Minisitra, izay antony ilana fanatsarana ho amin’ny enim-bolana faharoa. Anisan’izany ny fampanarahana ny etika sy ny lalàna fototry ny asan’ny fanajariana ny fandriampahalemana.

Tsy anavahana olona

Atao vaindohan-draharaha ihany koa ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Ministera, hoy ihany izy. Tohizana ny hetsika fiarovana ny sisin-tany amin’ny fanamafisina ny fanaraha-maso ny fidirana sy ny fivoahana eto amintsika.
Nanterin’ny Minisitra ihany koa ny famongorana ifotony ireo tambajotra mpanao asa maizina. Hamafisina ny ady amin’ny herisetra sy ny fanambadiana aloha loatra eo amin’ny ankizy sy ny zatovo ary harahi-maso akaiky ihany koa ireo manondrana sy manao ho entam-barotra ny olombelona.
Manoloana izany no nanambaran’ny Minisitra fa tsy anavahana olona na sokajin’olona ny fampiharana ny lalàna eo anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka.

Vous aimerez aussi