Hesorina amin’ny làlana amin’izay ireo mpivarotra manembatsembana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra ato ho ato, aorian’ny fampilazana azy ireo.
Ny Polisy nasionaly no hanatanteraka ny asa satria ny fanelingelenana ny fifamoivoizana no hitondrana ny raharaha na dia eo aza ny fanadiovana amin’ny ankapobeny. Noho izany, tsy tompon’andraikitra amin’izany ny polisy monisipaly.
Tsy alana tanteraka anefa ireo mpivarotra fa akisaka mba tsy hibahana ny arabe, izay fototry ny fitohanana, indrindra amin’iny faritra Analakely, Behoririka, Tsaralalàna,…iny. Eo ihany koa ny tsy fisian’ny sisin-dàlana tokony hizoran’ny mpandeha an-tongotra intsony noho ny hamaroan’ny mpivarotra tsy ara-dalàna.
Hiverina hisava ny polisy
Amin’izay fifamoivoizana izay ihany dia fantatra fa hiverina hanao ny asany amin’ny fisavana ny taratasin’ny fiara sy ny moto, ny Polisim-pirenena rehefa naato nandritra herintaona teo ho eo izany. Tsapa manko fa nanjaka ny gaboraraka teo amin’ny mpamily sasantsasany ka ilaina ny famehezana izany mba ho fiara voamarina ara-teknika sy manana antoka no entin’ny mpamily ary indrindra mpamily manana fahazoan-dàlana no mamily.
Koa hisy ny takelaby mampiomana ho amin’izany fisavana izany. Eo koa anefa ny takelaby faharoa, izay mampilaza sy mampitandrina ny kolikoly, na ho an’ny mpamily izany na ho an’ny polisy indrindra koa. Koa ho hentitra ny tompon’andraikitra ambony avy amin’ny polisy raha misy ny endrika kolikoly hita eny amin’ny fifamoivoizana eny.
Hiverina eny anivon’ny faritra manerana ny Nosy koa izao fisavana izao aorian’ny fiofanana omena ireo polisy eny an-toerana.
Hiverina amin’ny laoniny
Irina, araka izany, ny hiverenan’ny fifamoivoizana amin’ny laoniny eto an-drenivohitra. Eo ihany koa no tokony handraisan’ny polisy fepetra ny amin’ny fandotoana etsy sy eroa sy ny famarotana « parking », izay maha-tamana olona maro eto an-drenivohitra eto. Indrindra fa tsy hisy intsony ny fakan’ny kaomina vola amin’izany ato ho ato.


