« Mandehana amin’ny fitiavana… ! ». Izany no anisan’ny hafatra lehibe nentin’ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (na FJKM), ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, nandritra ny fotoam-pivavahana sy fifampiarahabana teo anivon’ny FJKM, izay natao ny Alahady lasa teo, teny Antsonjombe.
Hafatra dimy lehibe no nentiny tamin’izany dia : Mandehana amin’ny fitiavana – Miorena tsara amin’ny finoana – Miasà amin’ny fahazotoana – Mifotora amin’ny asan’ny Tompo – Mahatsiarova ny mandrakizay.
Koa nanao antso avo ho an’ny kristiana rehetra izy mba ho vavolombelon’ny fifankatiavana, noho ny fitiavan’i Kristy manery antsika.
Amin’izany no tokony hiorenana sy hazotoan’ny Fiangonana manompo amin’ny finoana, satria Jesoa tsy miova ary ny fitiavany koa tsy miova, eo anoloan’izao tontolo izao miovaova.
Avy amin’izany indrindra koa no hanaovan’ny FJKM ezaka amin’ny andrakofana ny tenin’Andriamanitra an’i Madagasikara manontolo.

Faha-150 taona
Nandritra ny fotoam-pivavahana no nampahatsiahivan’ny Filohan’ny FJKM ny fotoam-pankalazana ny faha-150 taonan’ny toeram-panomanana Mpitandrina, izay hatao ao amin’ny Tranovato Anatirova amin’ny zomà 24 janoary ho avy izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ny fanompoam-pivavahana hanokafana izany.
Nambarany ihany koa fa kihon-dàlana ho an’ny vahoakan’ny FJKM ity taona ity, noho ny hanatanterahana ny synoda lehibe any Sambava. Ilana fitrotroana am-bavaka izany, hoy izy satria fotoana lehibe.
Nentiny nirary soa ny rehetra kosa ny tenin’ny Apostoly Paoly avy amin’ny I Kor. 15 : 58, hoe : « Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo ».


