Saika nahitana fiakarany avokoa ny vidin’ny entana ilaina andavanandro na ny PPN, hoy ireo mpanjifa. Nahitana fiakarany 100 ariary ny iray kilao amin’ny vary makalioka. Raha 1700 ariary izany, dia lasa 1800 ariary. Niakatra 200 ariary kosa ny “Riz de luxe », 2000 ariary ny kilao ary lasa 2200 ariary. Mitovy kosa ny litatry ny menaka “en gros” sy ny atsinjarany. 7000 ariary ny litatra amin’izay menaka izay, hoy ireo mpivarotra. Saika nisy fiakarany kely avokoa ireo entana ilaina andavanandro, hoy hatrany ireo mpivarotra.
Noho ny fiakaran’ireo entana ilaina andavanandro ireo, dia nanao antso amin’ny fitondram-panjakana ny fikambanan’ny Vondron’Olon-Tsotra na ny VOT. Nambaran’ny filohany, ramatoa Sarah Rabearisoa, fa mikaikaika amin’izay findangan’ny vidin’entana izay ireo mpanjifa ary tokony hitady vahaolana ny fitondrana. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Tsy hitan’ny vahoaka madinika intsony izay iainana, hoy ny VOT, koa mangataka vahaolana maharitra amin’ny mpitondra hamaha ireo olan’ny sosialy ireo, ny fikambanana.


