FARITRA BOENY : Tsy maintsy manao arovava ny mpino rehetra mankany am-piangonana

Nahazo tatitra  avy amin’ny CCO Boeny ao Mahajanga , fa maro amin’ireo karazam-piangonana samy hafa misy ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga no tsy manaja ireo fepetra napetraky ny Fitondrana ny amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid-19 amin’izao hamehana ara-pahasalamana andiany fahadimy izao. Nampanantsoina araka izany ireo solontenan’ny fiangonana tsirairay avy, niara-nivory tamin’ireo mambran’ny CCO Boeny, izay notarihin’ny Lehiben’ny faritra Boeny mpisolotoerana, Atoa Bazezy Clavelah Vanombe, ny harivan’ny alarobia 20 May 2020 teo. Hentitra ny hafatra napetrak’ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana sy manampahefana ao amin’ny CCO Boeny ho an’ireo tompon’andraikitra ara-pivavahana, fa tsy mifidy olona hidirana ny Coronavirus, ka tokony samy hiara-manaiky sy mampihatra ireo “gestes barrières” ny rehetra, amin’ny fotoana rehetra ary amin’ny toerana rehetra koa, anisan’izany ireo toeram-pivavahana rehetra, izay efa nahazo alalana hamory olona mihoatra ny dimampolo. Tsy maintsy ataon’ireo mpivavaka sy ny mpitarika rehetra mandritra ny fotoam-pivavahana mahavory ny olona araka izany, ny mitondra arovava, ny mametraka fitaovana hanasana tànana amin’ny rano sy savony matetika ary ny fanajana ny elanelana 1 metatra eo amin’ny samy olona, hoy ny lehiben’ny faritra.

Vous aimerez aussi