Ny hanombohana ny tetikasa « Miami » ao Toamasina no anisan’ny fampielezan-kevitra faradoboka nataon’ny Filoham-pirenena, ny faran’ny herinandro teo.
Mba tsy hilazana mivantana ny fampielezan-kevitra dia ambara matetika amin’ny vahoaka fa ilaina ny Ben’ny Tanàna mitovy firehana amin’ny Filoha mba hampizotra tsara ny fanamboarana an’itsy na izaroa. Dia io tokoa ilay kandidà fa mitakisikisana eo anilan’ny Filoha mba ho hitan’ny vahoaka mpifidy.
Arsitekta espagnola
Nambara tamin’izany fa mpanao mari-trano na arsitekta vahiny espagnola, izay efa za-draharaha mihitsy, satria efa nanao tany Dubai, Quatar, Frantsa,…. no hanao ity tetikasa ao Toamasina ity.
Tetikasa izay efa voalaza tamin’ny velirano nandritra ny fampielezan-kevitry ny Filoham-pirenena ka tsy maintsy ho tanterahina.
Asa na hifanaraka amin’ny tetibolam-panjakana izay vao hiadian-kevitra ity tetikasa ity na tonga dia hatao tian-kano tsy tian-kano ihany koa. Na koa hitadiavana famantsiam-bola vahiny mihitsy.
Ny an-tratra tsy lavo…
« Ny an-tratra tsy lavo ka alao koa Rainilahibe », hoy ny ohabolan’ny Ntaolo.
Tsy misy tsy miandrandra fandrosoana eto amin’ny firenena akory fa raha teti-pandrosoana miteraka ho amin’ny savorovoro kosa dia mampalahelo.
Mbola ao anatin’ny fitadiavana làlana lalina manko ny tetikasa Tanà Masoandro, izay mbola lavitry ny marimaritra iraisana, kanefa dia haboiboika sahady ny tetikasa goavana manaraka.
Ny andavanandron’ny vahoaka tsy mbola voavahy loatra, raha tsy hiresaka afa-tsy ny jiro sy rano, kanefa haroso sahady ny vina manaraka.
Velona ahiahy ny maro, kanefa tsy hatao mahagaga izany satria mbola tao anatin’ny fampielezan-kevitra iny. Sady izay… faradoboka !

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

