Fanomanana ny fetim-pirenena : Mahantra miisa 1.100 no nampiana

Malagasy tena sahirana miisa 1.100, avy amin’ny distrika enina eto an-drenivohitra no nisitraka fanampiana ara-bary sy fitaovana samihafa, toy ny bodofotsy avy amin’ny fitondram-panjakana.

Hetsika atao  amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao izany mba ho mariky ny fifanomezan-tànana sy fiombonam-po amin’ny asaramanitra. Ny komity teknika mikarakara ny fankalazana ny fetim-pirenena, miaraka amin’ny Ministeran’ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, ny Ministeran’ny kolontsaina sy ny serasera ary ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena no nikarakara izany.
« Fifampizarana endriky ny fitiavan-tanindrazana » no anisan’ny filamatra nanatanterahana izao hetsika izao, hoy ny tompon’andraikitra, ka tsaroana ireo mpiray tanindrazana tena sahirana. Tsy ny eto an-drenivohitra ihany no misy tahaka izao fa natao manerana ny Faritra rehetra eto amin’ny nosy mihitsy.

Hiverina ny « podium »

Somary hiavaka ny fotoam-pankalazana ny fetim-pirenena amin’ity faha-59 taona ity, satria hiverina indray ny « podium », izay efa natsahatra nandritra ny taona maro, ka ny fiadidiana ny Repoblika no hikarakara izany. Koa hanomboka ny 21 Jona ka hatramin’ny 25 Jona izany, ho an’ny eto Antananarivo.
Hisantatra izany, ny «speciale rock », izay ho tontosain’ireo andrarezin’ity gadona ity, toa an-dry Iraimbilanja, Kiaka, Mage4. Hisy koa ny «speciale tropicale », izay hahitana an-dry Tsiliva, Damama,…
Fiderana an’Andriamanitra kosa no hatao ny Alahady tolakandro, etsy amin’ny Palais des Sports, izay hahitana an’i Maggie Blanchard, izay nafarana manokana avy any Canada. Hitohy ny lanonana amin’ny 5 ora hariva, etsy Analakely, ka natokana ho an’ny tanora izany, izay ahitana an-dry Raboussa, Rak Roots, Tsota… Ny Alatsinainy kosa ny « Nostalgie », izay hafanain-dry Njakatiana, Rebika,…
Hisy ihany koa ny « bal populaire », izay hatao etsy Analakely, ny harivan’ny 25 Jona, aorian’ny afomanga hatao etsy Anosy, amin’ny 6 ora.

Vous aimerez aussi