Drépanocytose : Omeo ny marary ny rànao

«Omeo hitsaboana ny olona voan’ny drépanocytose ny rànao !». Izany no lohahevitra nentina nankalaza ny andro iraisam-pirenena natokana ho an’ireo voan’ity aretina ity.

Vitsy dia vitsy tokoa ny olona mahafantatra ity karazan’aretina ity. Aretin’ny rà izy io ary aretina tsy mifindra. Ny tsy fahampian’ny rà no manjo ny olona voan’ny drépanocytose ary mety hahafaty azy haingana izany, ka ilaina indrindra ny famindrana rà.
Ho an’ny olona voan’ity aretina ity dia manaintaina avokoa ny ratsam-batany sy ny kibony rehefa mihetsika ny aretina ka mila fitsaboana haingana dia haingana.
Ho antsika eto Madagasikara dia 10% ny tahan’ny trangan’ny drépanocytose ary ahitana io aretina io avokoa ny faritra rehetra manerana ny Nosy, saingy ahitana izany bebe kokoa ny any amin’ny faritra atsimo sy atsinanana, izay mahatratra 18,5% ny taha amin’izany.
Manoloana izany dia maro ny ezaka ho tanterahin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny fandraisana an-tanana ny mararin’ny drépanocytose any amin’ny faritra telo tena ahitana taha ambony, dia ny Faritra Vatovavy Fitovinany, Atsimo Atsinanana ary Atsinanana.
Misy ankehitriny ny toeram-pitsaboana izay efa miasa, ka mandray an-tanana ireo mararin’ny drépanocytose any amin’ny faritra.
Entanina hatrany, araka izany, ny fanomezan-drà, ho fanampiana ireo marary na dia vao haingana aza no nisy ny fanentanana momba izany, nandritra ny Andro iraisam-pirenena momba ny fanomezan-drà.

Ramanana

Vous aimerez aussi