FANENDRENA GOVERNORA : Neken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana

Neken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana androany ny fanendrena governora, izay hitantana ny isam-paritra.

Tompon’antoka tamin’ny fitakiana ny maha-ara-dalàna na tsia ity resaka governora ity moa ny Filohan’ny Antemierandoholona, ka izao nahitam-baliny izao.

Fantatra moa fa vonjimaika no nanendrena ireo governora 11 ireo, mandra-pivoakan’ny sata mifehy ny vondrom-bahoakam-paritra.

Nambara fa fomba fiantso ireo tompon’andraiki-paritra ireo ihany ny hoe governora, izay tsy mifanohitra amin’ny voalazan’ny Lalàmpanorenana ihany koa.

Araka sion-dresaka dia mety ho mialoha ny faran’ity taona ity no hanendrena ireo governora sisa.

Vous aimerez aussi