Mbola vitsy ireo tokantrano manangan-tsaina amin’izao fotoana izao, na dia efa akaiky aza ny andro hankalazana ny fetin’ny fahaleovantena.
Tsy mandeha ihany koa ny sainam-pirenena, fa zara raha mahalafo ny mpivarotra, hoy izy ireo. Manodidina ny 5 000 ariary kahatramin’ny 15 000 ariary ny vidin’ny sainam-pirenena iray. Tamin’ny taon-dasa dia nandeha ny tsena ary maro ireo mpividy izany, hoy izy ireo, fa tamin’ity taona ity kosa dia tsy nandeha ny tsena, zara raha mahalafo roa raha be indrindra. Ankoatra izay dia nilaza ireo mpivarotra nanaovana fanadihadiana fa jeren’ny olona loko politika ny fananganana ny sainam-pirenena ka antony tsy mampaharisika ireo olona hametraka izany, nefa tokony hametraka ny fiandrianam-pirenena ny olona tsirairay ary mametraka ny mahagasy ny gasy azy koa, hoy hatrany ireo mpivarotra. Tsy mandeha ny tsena, hoy izy ireo.
Tsy mandeha torak’izany ihany koa ny aredrina. Mahatratra 4 000 ny aredrina vitan’ny mpivarotra no sady mpanamboatra isa-taona, saingy, tsy misy ny tsena amin’izao.Tehirizana ireo aredrina tsy lany ireo ary amidy indray amin’ny taona ho avy. Marihana,fa mahatratra 7 hetsy ariary ny vola lany amin’ny fanamboarana aredrina, hoy hatrany ity mpivarotra ity ary mahatsiaro tena maty antoka izy.


