FANAMPIANA IREO TANORA : Manohy izany hatrany i Tiavina

Mahazo vahana saika manerana ny Nosy ankehitriny ny fidorohana zavamahadomelina eo amin’ireo tanora malagasy, vokatry ny tsy fananan’asa sy ny tsy fahampian’ny sehatra hahafahana miala voly. Ny fahatsapana izany no manosika hatrany an’i Tiavina Ratsimandresy, tanora monina ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely tsy mikely soroka amin’ny fanampiana ireo fikambanana isan-tsokajiny amin’ny fanolorana fifaninanana ara-panatanjahatena eny anivon’ny Kaominina. Ny faran’ny herinandro dila teo no nanatanterahana ny lalao famaranana teo amin’ny taranja baolina kitra ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely, tafiditra anatin’ny « Tournoi Mafy be » sokajy U 17, izay nahitana ekipa fgolo nandray anjara. Nivoaka mpandresy tamin’izany ny « MIFA foot » Ambohimalemy, izay nandavo ny ekipa « Par si » Ikianja, tamin’ny elanelan’isa ety dia ety 1 no 0. Notoloran’i Tiavina Ratsimandresy fanomezana ho marim-pankasitrahana ny ekipa nivoaka mpandresy.  Nomarihany hatrany fa afaka mitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fampandrosoana ny Tanàna ny tanora rehefa manana fahavononana sy ny fahaizana takiana ho entina manatanteraka izany. Tsy mifidy taona rahateo ny fandraisana andraikitra ary tsy voatokana ho an’ny sokajin’olona manokana. Nanteriny hatrany nandritra ny tafa fohy nifanaovanay taminy fa vonona hatrany ny hanao ny manandrify azy ho amion’ny fitaizana ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy ireo tanora eo anivon’ny kaominina Ambohnimangakely izy mba hananana Olom-pirenena Vanona sy mahay mandray andraikitra ho amin’ny fampandrosoana sy ny fikatsahana ny tombontsoa iombonana. Velom-pisaorana an’i Tiavina Ratsimandresy noho ireo ezaka rehetra efa vitany ho amin’ny fanabeazana sy fanampiana hatrany ireo tanora ireo Ray aman-dreny tonga nanotrona ity lalao famaranana, natao teny Ambatomitsangana, Ambohimangakely ity.

Vous aimerez aussi