Efa andro maro no nandeha ny resabe momba ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy teto amintsika. Na teny amin’ny tambajotra sosialy na tamin’ny radio, hatreny an-dàlambe aza dia miresaka ny momba azy io avokoa. Toa tsy nitondrana fanazavana mihitsy anefa izany fa navela hiroroa saina teny ny vahoaka.
Soa fa nisy ny Raiamandreny FJKM nampahatsiahy ny didin’Andriamanitra, ny amin’ny fahotan’ny fanambadian’ny mitovy fananahana, vao nikoropaka ny Andrimpanjakana mpanao lalàna, nanome fanazavana fa tsy nisy ny dinika momba izany lalàna izany teny anivon’ny Antenimierampirenena.
Ataovy amin’ny teny gasy
Ny mahagaga dia rafetina amin’ny teny frantsay avokoa ny lalàna eny anivon’ny Antenimiera eny na dia Malagasy avokoa aza ny Solombavambahoaka ary vahoaka Malagasy ihany koa no hiaina ny lalàna eny.
Mety tsy nifankahazo, noho izany, ny resaka satria tsy voatery hahafehy ny teny frantsay avokoa akory na dia hoe Depiote aza. Azo adika amin’ny teny malagasy tsotra ny hoe « genre » mba tsy hisian’ny savorovoro kanefa tsy natao izany. Asa na mety ho fanarahan’ny vahiny izay lalàna tapaka ao ve no anaovana ireo volavolan-dalàna amin’ny teniny ?
Tsy ny lalàna ihany
Tsy ny eo amin’ny lalàna ihany, fa eo amin’ny karazan-taratasy eo anivon’ny asam-panjakana ihany koa dia maro dia maro no amin’ny teny frantsay izy ireny. Asa na tena mahafehy izany teny izany ny hatrany ambanivohitra na voatery miandry manam-pahaizana mpanambaka hatrany.
Hatreto aloha dia toa tsy afa-miala amin’ny frantsay isika, na amin’ny teniny na amin’ny fanampiany. Asa ny amin’ireo Nosy manodidina !

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

