Efa azo ampiharina amin’izay ny lalàna amin’ny fanagiazana ny harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna na tsy ara-drariny, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, Andriamahefarivo Johnny Richard, satria efa lany soa aman-tsara teny anivon’ny Parlemanta roa tonta izany na dia somary niadian-kevitra aza.
Misy anefa ny karazan-dingana samihafa tsy maintsy arahina mikasika izany fanagiazana izany dia ny fakana sy ny fitazonana ary ny fitahirizana ireo harena ireo.
Ny polisy misahana ny lalàna no afaka manao ny fanagiazana eny anivon’ny ambaratongam-pitsarana, izay mandinika raha azo giazina na tsia ilay fananana, izay azo avy amin’ny famotsiam-bola na ny toy izany.
Ny fakàna sy fitahirizana ireo harena tsy ara-dalàna kosa dia sahanin’ny Fampanoavana eny amin’ny ambaratongam-pitsarana, ka ahazoany managadra, mandrapahatongan’ny fotoam-pitsarana ilay olona voakasika.
Rehefa vita ireo dia tsy maintsy apetraka eny amin’ny birao manokana ireo fananana. Io birao io no hikarakara ny fandaminana ny fitazomana ary ny fandrindrana ireo vola na fananana voageja rehetra mandra-pahatongan’ny raharaham-pitsarana.
Io ihany koa no hamerina azy any amin’ny tompony raha vita ny Fitsarana azy ka tsy meloka izy.


