FAMPIELEZAN-KEVITRA : Nirotsaka an-tsehatra ny filoha

Ao anatin’ny fampielezan-kevitra indrindra no nidinan’ny Filoham-pirenena ihany koa nizara « kit scolaire » ho an’ny mpianatry ny EPP, io maraina io.

Ny tetsy amin’ny EPP Ambodirano Ampefiloha no nisantarany izany androany. Toa nofidiana manokana ity toerana ity satria anisan’ny faritra nahazoan’ny Filoha vato be indrindra tamin’ny fotoam-pifidianana azy. Noho izany, tsy adino ny toerana nahitam-bokatra satria fotoam-pifidianana rahateo izao, na dia tokony ho natao mialohan’ny fidiran’ny mpianatra aza ny fizarana izany.

Tablette sy rakibolana

Mialoha ny fidirana manko dia efa tsy maintsy manana ireo fitaovana fototra ny mpianatra vonona. Anisan’izany ny kitapo sy ny kahie ary ny penina. Saingy amin’ny maha-vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra azy dia nasiana aingitra manokana izany, dia ny rakibolana sy ny tablette.

Nampanantenaina ho amin’ity taona ity ihany koa aza ny fizarana kiraro ho an’ireo ankizy mpianatra ireo, satria tsy mba manana izany ny ankamaroan’izy ireo.
Koa na dia tsy mbola manan-jo hifidy aza ireto mpianatra madinika ireto dia azo inoana fa ho voasarika noho izany ireo ray aman-dreniny.

Fa mbola nampanantenain’ny Filoha ihany koa ny hanomezana ireto kilonga ireto vitamina sy kalsiôma, mba hiraketan’ny fitadidin’izy ireo. Ilaina tokoa ny firaketan’ny lesona ao an-tsaina, saingy mila tsaroana koa izao fizarana maimaimpoana ataon’ny prezidà izao rahatrizay.

Manan-danja

Manan-danja manokana eo amin’ny raharaham-pirenena izany Ben’ny Tanànan’ny renivohitra izany. Iadiana fatratra, araka izany, ity toerana ity. Antananarivo izay heverin’ny mpanara-baovao fa anjakan’ny antoko TIM hatrizay. Tsy hiraviravy tànana, noho izany ny andaniny ka izao mandrotsaka ny Filoha eny an-kianja izao. Eny, na dia tsy niara-dia taminy aza ny kandidà Ben’ny Tanàna.

Vous aimerez aussi