FAMPIANARANA : Hanakatona sekoly ny FJKM

Hanakatona ny sekoliny eto amin’ny Faritra Antananarivo sy Toamasina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), indrindra amin’ireo faritra nitrangan’ny valanaretina coronavirus.

Fanapahan-kevitra noraisin-dRtoa Rakotondranaivo Domoina, Tonian’ny Foibem-pitondrana ny Sekolin’ny FJKM izany, manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina, indrindra ny fisian’ireo ankizy mpianatra efa lasibatr’izany.

Mitombo ny isan’ireo voan’ny otrikaretina eny anivon’ny Fokontany, hoy izy, ka nandray izao fepetra izao ny Foibem-pitondran’ny sekoly, ka hanakatona indray ny toeram-pampianarana aloha.

Koa anisan’izany ireto sekoly ireto : lisea Sedera Alarobia Amboniloha, Isoavimasoandro, Ambodimita, Antanety Fitahiana, Anosivavaka Ambohimanarina, Anosizato, Ambohitrarahaba, Ambohipo, Andraisoro, Andriamanarefa, Ziona Salazamay, David Johns, Thomas Bevan ary Analakininina.

Ho very herintaona sa ho tratry ny aretina

Ankoatra ny sekoly FJKM sy ny sekoly tsi-miankina hafa dia sahiran-tsaina manoloana ny toe-java-misy ihany koa ireo mpianatra sy ray aman-dreny maro eny amin’ny sekolim-panjakana.

Ho an’ny lisea JJRabearivelo, ohatra dia misy hatramin’ny 40 ny isan’ny ankizy tsy tonga noho ny tahotra ny valanaretina. Ireo manohy ny fianarany kosa anefa dia tonga tsy sazoka ihany satria manahy ny hisian’ny taona fotsy ka ho very herintaona,…

Hahemory ny fiverenana an-dakilasy

Manoloana ny zava-misy dia mangataka ny hanemorana ny fidirin’ny mpianatra ny firaisamonim-pirenena misahana ny fanabeazana.

Manao antso avo amin’ny Governemanta izy noho izany satria sarobidy loatra ny ain-janaka, izay mety hitondra otrikaretina ho an’ny fianakaviana manontolo ihany koa.

Koa aleo aloha hisy ny fiarovana matotra, na amin’ny fitaterana na eny an-dakilasy,… vao hianatra ny mpianatra.

Vous aimerez aussi